♦ Hitory ireo fandikan-dalàna ataon'ny filoha manao fampielezan-kevitra ankolaka ho an'ireo kandidam-panjakàna amin'ny fitetezam-paritra ataony eny anivon'ny CENI sy ny HCC ny vovonana Firaisan-kina... ♦ Ny fifidianana filoham-pirenena irery ihany no voalazan'ny lalàna fa tokony hiato rehefa misy kandidà mpifaninana maty, miakatra lasa kandidà kosa ny lisitra faharoa mirotsaka ho fidiana manolo ny toeran'ilay kandidà loha-lisitra maty amina fifidianana solombavambahoaka... ♦ Miaina anaty fahantrana avokoa ny 91% amin'ny mponina any Atsimo-Andrefana, Androy ary Anôsy, tokony mandray andraikitra ny fitondrana hoy ny fikambanana maro ao Toliara...

Ny andrakandram-piraisana alohan'ny fanambadiana dia tsy tsara velively hiomanana amin'ny fanambadiana. Amin'ny ankapobeny ny tanora dia samy tia andrakandrana avokoa saingy ny zazalahy no somary lasa aloha toy ny mifoka sy misotro, firaisana amin'ny zazavavay , irety farany kosa dia ny tahotra no lasa aloha na entim-pilàna ihany aza. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

22 mey 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-39)

♦ Miantso ny Malagasy hiaro ny demôkrasia sy ny tany tan-dalàna ny Vovonana Firainsankina. Mandika ny lalàna mifehy ny fifidianana ny Filoham-pirenena, hoy izy ireo, amin'ireo fitetezam-paritra sy fitokanana ataony... ♦ Miandrandra fandriamphalemana maharitra ao amin'ny Distrikan'Ankazobe ny mponina, manoloana ny vokatra sy ny ezaka ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ny fampandrian-tany ataony... ♦ Mihamihena tsikelikely ny tantely, tsy eto amintsika ihany fa eran-tany. Manainga ny rehetra hiaro azy ireny ny mpisehatra. Nivoitra izany androany nandritra ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an'ny Tantely...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...