♦ Fihetsika fanakorontanana sy fikasana fanonganam-panjakàna no ataon'ny filohan'ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa hoy ny solombavambahoaka mivondrona ao amn'ny IRD... ♦ Hamafisina ny fiarovana sy ny fisorohana ny loza etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, nahazo fitaovana ilaina amin'izany avy amin'ny Masoivoho Frantsay ny kaompanian'ny zandarimariam-pirenena Ivato Aéroport... ♦ Nahazo milina fanodinana ny voamaina ho lafarinina ny any amin'ny distrika Ambato-Boeny, tafiditra amin'ilay tetik'asa ODOF izy io... ♦ Nandresy vonjy maika tamin'ny fifidianana filohan'ny repoblika tany Sénegal ny alahady teo ny kandidan'ny mpanohitra Andriamatoa Bassirou Dio Maye Faye...
Fahotana mahafaty ny fanalan-jaza satria maniratsira an'Andriamanitra Mpahary ny aina ; manala ny zon'ny olombelona hiaina. Ny firaisana ara-nofo dia fitiavana fa tsy kilalao. Ny fandriandram-piterahana ara-boajanahary no soso-kevitry ny fiangonana. Manana adidy lehibe ny mpanabe ho fampianarana mikasika ny fiainana sy ny fitiavana, tokony olona vonona amin'ny lafiny rehetra ny olona miroso hanorina tokan-trano. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa.
26 marsa 2024 — Talata Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 21-33. 36-38)
♦ Fihetsika fanakorontanana sy fikasana hanongam-panjakana no ataon'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Christine Razanamahasoa, hoy ny Solombavam-bahoka mivondrona ao amin'ny IRD... ♦ Ho fanamafisana ny fiarovana sy ny ho fisorohana ny loza etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, dia notoloran'ny DCIS, eo anivon'ny Masoivoho frantsay, fiara tsy mataho-dalana, ny Kaompanian'ny Zandarimariam-pirenena etsy Ivato... ♦ Misy andro ratsy miforona any amin'ny 168 km, avaratra atsinananan'i Vohemar...
• Tontosa omaly tany Gdańsk, Pologne ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana... • Hotanterahana any Toamasina ny 2 hatramin'ny 6 aogositra 2025, ny Fihaonambe Nasionalin'ny Ibalita eto Madagasikara... • Tsy sakramenta fanaovam-beloma farany ny Fiangonana ny Sakramentan'ny Fankaherezana, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Jean de Dieu Raoelison...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco