♦ Mila mahay maka lesona ny filoha Andry Rajoelina hoy ny mpamakafaka pôlitika Soalihy Moussa, mba hahafahany mamita am-pitoniana ny fe-potoam-piasany faharoa... ♦ Efa nahatratra 18 ireo tranga fanolanana zaza latsaky ny 15 taona nandalo teny anivon'ny fampanoavana eny amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo hatramin'ny fiandohan'ny taona 2024... ♦ Voamarina fa alika mpirenireny no nanaikitra ireo omby tany Brickaville tamin'ity herinandro ity hoy ny tale jeneralin'ny fiompiana... ♦ Nandray fepetra ny any Colombie manoloana ireo gadra tafatsoaka any Equateur...
Mila antsika taranaka mifandimby ireo zokiolona. Lesona ho an'ny taranaka ny fitondran-tena sy ny fihetsika ataon'ny zokiolona. Manome fahamatorana ny taranaka dieny mbola tanora ihany koa ny zokiolona. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
13 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 13-17)
♦ Niarahaba ireo manamboninahitry ny foloalindahy Malagasy izay nanamarika ny 12 janoary ; andron'ny manamboninahitra ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Manohana ny tantsaha hisitraka ny zony amin'ny fananan-tany any amin'ny faritra iasany ny fandaharan'asa DEFIS, eo ambany fiahian'ny ministeran'ny fambolena sy ny fiompiana... ♦ Lehilahy roa no niakatra fampanoavana androany, ary nalefa eny amin'ny fonjan'i Tsiafahy noho ny fanolanana zaza latsaky ny 15 taona... ♦ Miantso sy manentana ny mponina any Equateur ny fivondronamben'ny Eveka any an-toerana mba hahay hiray hina sy hampanjaka ny fandriam-pahalemana...
• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco