Ilaina ny manana pôlitika fitantanana ny fambolena eny ambanivohitra, ary ilàna paik'ady izany toy ny fambolen-kazo, fanaraha-maso ny doro-tanety, ny fiarovana tontolo iainana. Mba hazaoana vokatra tsara amin'ireo asa maro lafy dia ilaina ny fiofanana ho an'ny tantsaha ary atao misongadina ny toe-tsaina vonona hiotra fa tsy hiandry fanampiana fotsiny, izany hoe manaraka tondro zotra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

20 septambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahefatra amby roapolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 7, 31-35)

♦ Manaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-draharaha eto Madagasikara ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena. Zava-dehibe, hoy izy ireo, ny fanajana ny Lalam-panorenana sy ny tetiandrom-pifidianana... ♦ Nanao jery todika ny asa vitany nandritra ny folo taona ny fandaharan'asa FORMAPROD eto Analamanga. Nakatona androany ny sehatr'asa ho an'ny eto Analamanga... ♦ Manofana ireo mpitandro ny filaminana sy ireo mpandraharahan'ny fonja, ny Sekolim-pirenena ho an'ny fitantanan-draharaham-panjakana eto Madagasikara, na ny ENAM eny Androhibe sy ny Minisiteran'ny Fitsarana...

Ny 20 aogositra 2023 no nanononan'i Frera Razafimandimby Michel Fabrice ny voady mandrakizay maha Salezianina azy. Ny lehibem-pikambanana eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy, i Mompera Bizimana Innocent no nitarika ny lamesa tao amin'ny Paroasy Masindahy Joany Bosco Ankofafa Fianarantsoa. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...