♦Andrasana ny vokatry ny fanadihadiana ho ataon'ny mpitandro ny filaminana, avy eo anivon'ny EMOFAR, mikasika ny zava-nisy marina teny Mahamasina tamin'ny zoma hariva, ahafantarana raha fanakorontanana niniana natao tokoa izany na tsia... ♦ Mitarika vonjimaika eo amin'ny fahazoana medaly betsaka indrindra sy medaly volamana betsaka indrindra i Madagasikara, ao anatin'ny lalaon'ny nosy andiany faha-11... ♦ Latsaka an-katerena ny firenena Malagasy hoy Andriamatoa Hery Rajaonarimampianina, ary nilaza ho vonona ny hijoro hanarina izany ka ho isan'ireo ho kandidà ho filohan'ny Repoblika amin'ny 9 novambra izao, araka ny nambarany tamin'ny sabotsy teo...
Homen-kasina ny asa satria loharanon-karena hanosehana ny fahantrana. Atao amim-pahatahorana an'Andriamanitra ny asa mba ahitana vokany, ary hanasoavana ny tena sy ny fianakaviana ary ny fiaraha-monina. Miasa isika mba hamelona ny aina nomen'Andriamanitra. Amin'ny sehatry ny asa dia melohan'ny Eglizy ny kolikoly sy ny fahalovana. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
28 aogositra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika amby roapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 13-22)
Isan'ny nampiavaka an'i Md Joany Bosco ny fikarakarana ny tanora amin'ny fanabeazana tamin'ny alalan'ny lalao, finoana ary vavaka. Ny finoana katôlika dia manao zava-dehibe ny fanabeazana amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, ny fianarana mozika sy ny lalao isan-karazana, tanjona hitaizana ny vatana sy hikolokoloana ny saina. ireo dia fototra hametrahana ny fitsipi-piainana entina miahy ny fanindriana ny fo manoloana ny fahatezerana...
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco