Tamin’izany andro izany, nanadino tsy nitondra mofo ny mpianatra, ka tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo an-tsambo kely. I Jesoa kosa nananatra azy nanao hoe : "Mitandrema tsara ianareo fandrao azon’ny lalivain’ny Farisianina sy ny lalivain’i Herôda." Dia niara-nihevitra izy ireo ka nifampilaza hoe : "Noho isika tsy manana mofo izay." Fantatr’i Jesoa ny heviny ka hoy Izy taminy : "Ahoana no iheveranareo izay tsy fanananareo mofo ? Mbola tsy mahazo hevitra sy tsy mahazo saina ihany va ianareo ? Donto ny fonareo ? Mana-maso fa tsy mahita va ianareo ? ary manan-tsofina fa tsy mahare ? Ary tsy mahatadidy va ianareo ? Raha nizara ny mofo dimy tamin’ny olona dimy arivo Aho, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo ?" Dia hoy ireo taminy hoe : "Roa ambin’ny folo." Dia hoy i Jesoa : "Ary raha nizara ny mofo fito tamin’ny olona efatra arivo, firy no sobika feno ny sombintsombiny sisa tsy lany nangoninareo ?" Hoy ireo hoe : "Fito." Dia hoy Izy taminy : "Ka nahoana àry no mbola tsy mahalala ihany ianareo."

Namerina nampahatsiahy ireo solombavambahoaka ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, momba ny fomba fanehoan-kevitr'izy ireo. Tsy ho voasahan'ny zo tsy azo henjehina ny teny atao ivelan'ny andraikitra maha parlemantera, hoy Ramatoa Christine Razanamahasoa...

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny Farisianina, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy Azy. Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe : "Ahoana no itadiavan’itý taranaka itý famantarana ? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana itý taranaka itý." Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.

Tamin’izany andro izany : nony betsaka ny vahoaka sady tsy nanan-ko hanina dia niantso ny mpianany i Jesoa ka nanao taminy hoe : "Mampalahelo ahy itý vahoaka, fa efa hateloana izay tsy nisaraka tamiko ka tsy manan-ko hanina ; ary raha ampodiko ho any an-tranony izy tsy mihinana dia ho reraka eny an-dalana, fa avy lavitra ny sasany." Dia hoy ny mpianany namaly Azy : "Aiza no hahitana mofo hahavoky ireo atý an’efitra ?" Ary Izy nanontany azy hoe : "Manana mofo firy ianareo ?" "Fito", hoy izy ireo. Dia nasainy hipetraka tamin’ny tany ny vahoaka ary noraisiny ny mofo fito, ka nony vita ny fisaorana dia novakìny, sy nomeny hozarain’ny mpianany, ary nozarainy tamin’ny vahoaka. Ary nanana hazandrano madinika vitsivitsy koa Izy, ka notsofiny rano dia nasainy hozaraina. Ary nihinana ny olona ka voky, ary ny sombintsombiny sisa tsy lany nentiny dia nisy fito sobika. Tokony ho efatra arivo anefa no nihinana ; dia nampodiny. Dia niondrana an-tsambokely niaraka tamin’izay Izy sy ny mpianany, ka tonga tany amin’ny faritanin’i Dalmanotà.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...