Ny firalahian’ny olombelona dia miseho amin’ny fifankatiavana. "Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia". Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

29 mey 2023 — Alatsinainy, Masina Maria Renin'ny Eglizy — Ry Masina Maria Virjiny, ianao no niteraka ny Tompo! Ianao no mampiredareda ao anatinay ny Fanahin'i Jesoa Kristy Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 19, 25-34)

Manana ny mampiavaka azy ny kristiana Malagasy. Mba hanavahana ny asan'ny fanompoan-tsampy dia eo ny didin'Andriamanitra, telo voalohany : Izaho no Tompo Andriamanitrao, ianao aza manana Andriamanitra hafa afa-tsy Izaho, manompoa an'Andriamanitra ianao, tiava azy amin'ny fonao rehetra ; aza manonononom-poana ny anaran'Andriamanitra ; mankamasiana ny andro alahady... Misy ny andro fady ho an'ny kristiana dia ny alahady ho an'ny finoana katôlika...

Noharian’Andriamanitra hiara-miaina ny olombelona tsy an-kanavaka. Ny firalahina sy fiaraha-miaina dia tsy natao hoany mpiray tampo ihany fa natao hiainan’ny olombelona rehetra: satria efa nanorina fanekem-pihavanana vaovao Andriamnitra izay tanteraka tamin’ny alalan’ny zanany tokana. Araka teneniny Md Paoly (Galate 3, 28). Katesizy momba ny firahalahian'ny olombelona ho amin'ny firaha-miaina sy ny fisia-miaraka, iarahana amin'i P. Laurant Ratinarivo. 

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...