Ny atao hoe tontolo iainana dia mifitotra amin'ireto zavatra dimy ireto amin'ny ankapobeny : ny tany sy izay rehetra eo aminy, ny ala sy izay rehetra ao aminy, ny rano sy izay rehetra misy ao aminy, ny tanàna sy izay rehetra hita ao aminy ary ny faritra honenana sy izay rehetra ao aminy. Ny voambolana fampiasa matetika tsara tadidiana amin'ny resaka tontolo iainana dia ireto telo ireto : Kajiana, tandrovina ary ny arovana. Misy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Foibe momba ny teny, ny akademy malagasy sy ny sampandraharaha isan-karazany amin'ny fanefena voamboalana, ohatra ny OIF sy ny ADES. volambao : angovo mikajy tontolo, sy ny hoe fahandro mikajy tontolo. Fandaharana "Filira" sokajy fitsipika.

♦ Mby eo am-baravaran'ny krizy i Madagasikara, hoy ny antoko UNDD, tamin'ny fanambarana navoakany. Mamerina ny antso efa nataony tamin'ny fitondrana, hiroso amin'ny fampihavanam-pirenena ity antoko ity... ♦ Mbola miandry fahazoan-dàlana ara-tontolo iainana vao tena hanomboka ny asa fanamboarana ilay lalambe migodana mankany Toamasina. Efa voaray ny tatitra momba ny fanadihadiana natao, hoy ny ONE, omaly... ♦ Tsy misy fiantraikany amin'ny toetr'andro eto Madagasikara, ilay faritr'andro ratsy Fabien any amin'ny Ranomasimbe Indiana. Araha-maso anefa ny fivoarany noho izy nitombo hery...

Vehivavin'ny fiainana tsotra andavanandro i Maria, vehivavy tonga reny, reny nahita ny nahafatesan-janany tsy an-drariny, nahita azy nitsangan-ko velona, ary niandry tamim-paharetana nivavaka — niaraka tamin'ny mpianatra — ny fiavian'ny Fanahiny. Manetsaka fitiavana sy mampisy fotony ny ankobanandro i Maria: toa nijanona ho toy ny teo aloha ihany ny zavatra rehetra, nefa toa niova ho vaovao feno hanitra mamerovero ihany koa. Hasivianandro fiomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro faharoa.

Hoy ny Ntaolo : avadibadiho im-pito aloha ny lela alohan'ny hiteny ; izany hoe manontany tena raha azo antoka ny loharano nahenoana resaka mialohan'ny hitantarana azy amin'ny olona hafa. Amin'ny fehezan-teny tokana dia : tsy maintsy mamakafaka sy manadihady vao miteny. Mila mandinika isika, mitady ny loharano marim-pototra sy mazava fa tsy milaza zavatra manjavozavo na honohono. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...