Adidin'ny tsirairay, indrindra ny kristiana ny milaza ny marina. Nambaran'ny Pap François, tamin'ny hafatra ho an'ny andro maneran-tany faha-52 ho an'ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, ny tokony hirotsahana an-tsehatra iombonana mba hisorohana ny fanelezana vavao tsy marina sy mba hijerena indray ny soatoavin'ny asa fanaovan-gazety sy ny andraikitry tsirairay amin'ny fampitana ny marina. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
13 mey 2023 — Sabotsy, Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 18-21)
♦ Vola hatrany amin'ny 945 tapitrisa sy 10 miliara Ariary no efa nogiazan'ny Sampandraharaha misahana fangiazana ireo harena azo tamin'ny tsy rariny. Tontosa teny amin'ny 67Ha androany, ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa niaraka tamin'ny PAC... ♦ Tsy mankasitraka ny hametrahana ny pylone an'ny télépherique manakaiky ny sekoly sy ny handalovan'izany eo ambonin'ny sekoly, ny mpitantana sy mpandrahraha ary ny mpianatra eny amin'ny Sekolintsika Analamahitsy...
♦ Nanatanteraka fiofanana mitohy nandritra ny telo andro, ireo Inspecteurs sy Katesista avy ao amin'ny Misiona telo ao Mandritsara, Diôsezin'i Port-Bergé, nanomboka ny talata teo... ♦ Efa ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ireo ankizy avy amin'ny diôsezy manerana an'i Madagasikara, ny Diôsezin'Antananarivo, izay mpandray ny Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy andiany fahatelo... ♦ Hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Vehivavy Katôlika ny FFBKEM, ny 14 mey 2023 ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco