Zoma 10 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 33-43. 45-46)
♦ Mitaky ny hamoahan'ny Governemanta ny daty raikitra hanatanterahana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena sy Ben'ny Tanana amin'ity taona ity, ny KMF/Cnoe Fanabeazana Olom-pirenena... ♦ Hanome fanampiana amin'ny maha olona ho an'i Madagasikara, maherin'ny 15 tapitrisa Euros, ny Vondrona Eorôpeana, ho an'ity taona 2023 ity. Fanampiana noho ny takaitra samihafa navelan'ny rivodoza Cheneso sy Freddy... ♦ Olona valo no namoy ny ainy, vokatry ny fivadihan'ny fiarabe iray mpitatitra olona, tany amin'ny Lalam-pirenena faha-10, any atsimon'ny nosy...
♦ Nandray anjara tamin'ny fanamarihana ny andron'ny 08 marsa, omaly, ny tantsaha miara-miasa amin'ny fandaharan'asa AFAFI CENTRE. Tamin'ny alalan'ny velan-kevitra teny amin'ny hotely Carlton Anosy no nanehoana izany... ♦ Hanampy ny vehivavy mpandraharaha hiditra amin'ny tsena any Etazonia ny antenimieran'ny varotra amerikana eto Madagasikara... ♦ Midina any Mananjary manampy ny vahoaka taorian'ny fandalovan'ny rivo-doza Freddy ny ekipa misahana ny fitsaboana ao amin'ny Ministeran'ny fiarovam-pirenena... ♦ Manohy ny fanafihana any Ukraine ny tafika rosianina. Lasibatra androany ny tao Kharkiv sy Odessa. Efa eo am-pelan-tanan'ny rosianina ihany koa ny ao Bakhmout...
Noraisin'ny vaomieran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny rariny sy ny fiadanana ho fanamarihana ny 08 marsa ny loha-hevitra hoe : ny vehivavy sy ny fananan-tany. Nisarihana ny fisainan'ny rehetra ny mba hanomezana hasina ny vehivavy ny hoe : mifameno ny lehilahy sy ny vehivavy, tsy eo amin'ny lafiny ara-nofo sy ara-tsaina fotsiny ihany fa eo amin'ny maha-olona azy mihitsy koa. Ny vehivavy dia omen'ny lalàna zo mitovy feno sy mitovy amin'ny zon'ny lehilahy amin'ny lafiny fananan-tany. Mandrisika ny vehivavy ny tompon'andraikitra mba hiroso amin'ny ara-dalàna afahana misitraka sy manamafy ny fizakan-jo ; ohatra ny fisoratam-panambadiana. Maro ny vehivavy misehatra amin'ny asa fananan-tany ary mendrika amin'ny asa ataony...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco