28 aprily 2023 — Zoma, Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 53-60)

♦ Voaantso hatao fanadihadiana eo anivon'ny Inspection Générale de l'État, ny Filohan'ny HCDDED teo aloha, Navony Pierre Le Noble... ♦ Nampidirina am-ponja ny olona dimy tamin'ireo valo voarohirohy tamin'ilay fahaverezana vola maherin'ny 388 tapitrisa Ariary, tao amin'ny Trésor tao Ambalavao, Faritra Matsiatra Ambony... ♦ Tsy nahafa-po ny fari-pahaizan'ireo mpianatra tamin'ireo sekoly nampiharana ilay teti-pivoaran'ny fanabeazana na ny PSE, tao anatin'ny efa-taona. Misy ny atrikasa hanaovana jery todika ny fampiharana izany, eo amin'ny lafiny teknika sy ara-bola...

♦ Mitsidika any Mahajanga i Mompera Alphonse Owoudou mpanolontsaina rejionaly ho an'i Afrika sy Madagasikara eo anivon'ny Fikambanana salezianina. Fitsidihana nandritra ny 4 andro... ♦ Hiaka-dapa hanomboka ny 02 mey izao hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany ny antenimiera mpanao lalàna eto Madagasikara. Amin'ny 11 ora antoandro no fanokafana ôfisialy ho an'ny eny Tsimbazaza ny talata izao... ♦ Nisitraka fampitaovana avy amin'ny mpiara-miombon'antoka ny fitantanam-paritry ny tontolo iainana eto Antananarivo. Nanatrika ny fanolorana izany ny Ministra tompon'andraikitra Vina Maria Orléa...

Mahaiza mifanampy isika Malagasy amin'ny fanjifàna ny vokatra eto an-toerana, fa ny vita avy any ivelany manabe takolaka ny hafa fotsiny. Tsangan-kevitra apetraka ny hoe : "maro tohanan'ny maro". Fandaharana "mba ho vanona", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...