♦ Tokony holaniana ny tolo-dalàna hanovana ny lalàm-pifidianana, raha ny zava-misy amin'izao, hoy ny Vondrona Panorama. Handalo fankatoavana eny amin'ny Antenimiera mpanao lalàna amin'ny volana mey izao, izany tolo-dalàna izany... ♦ Tsy misy idiran'ny fitondrana ny olan'ny Jirama, amin'ny famatsiana menaka mavesatra, hoy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Nambarany fa vola 441 Miliara no efa nampindramin'ny fitondram-panjakana ity orinasa ity, tao anatin'ny telo volana...

♦ Ho fampahafantarana ny olom-pirenena ny lalàna sy ny zony, hiadiana amin'ny fanaovana kolikoly dia atomboka anio eny Talatan'i Volonondrry ny hetsika "Fiara Zo" na ny "Caravane de Droit"... ♦ Mbola mahatratra hatrany amin'ny 30% ny olona tratry ny tazomoka any atsimo atsinanana, taha ambony indrindra eto Madagasikara. Any Farafangana noho izany no hanamarihana ny andro eran-tany hiadiana amin'ny tazomoka, amin'ny 9 jona izao... ♦ 2 tapitrisa ny kara-tany ho zarain'ny Fanjakàna hatramin'ny volana desambra. Ny 561.039 no efa voazara tamin'ny alalan'ny tetik'asa CASEF. Andro fahatelo amin'ny heriandro ho an'ny kara-tany ny anio...

Mila mahay miaina anaty fandanjalanjana ny olona mba tsy hiteraka olana amin'ny lafin-javatra hafa. Mila miezaka mahay ambony, mahay ambany isika, ary koa mila manaiky tsotra izao ny lalana nodiavina, indrindra raha tena fahasahiranana na lalan-tsarotra no nodiavina. Mila mahay miatrika fahasahiranana ary ihany koa mahay miaina fiadanana sy filaminana... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Andro iraisam-pirenena ho an'ny fizaka-manana ara-tsaina na ny "propriété intellectuelle" ny anio 26 avrily. Loha-hevitra entina hanamarihana izany amin'ity taona ity ny hoe : "Ny vehivavy sy ny fizaka-manana ara-tsaina, mitantsoroka amin'ny fanafainganana ny fahitana vao sy ny famoronana"... ♦ Sakana ho an'ny fahitan'ny tanora asa ny tsy fananany fahaiza-manao sy traik'efa takian'ny orinasa. Lalana iray hitondra ho amin'ny fampandrosoana ny fanofanana arak'asa ny tanora hoy Mopera Bizimana Innocent, lehiben'ny Salezianina eto Madagasikara sy Maurice... ♦ Nanomboka tamin'ny fomba ôfisialy teny amin'ny lycée Rabearivelo Analakely ny hetsika "Asako rahampitso" andrian'ny faha-15, haharitra hatramin'ny zoma 28 avrily 2023...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...