Tafiditra anatin'ny soatoavina Malagasy ny fanajàna sy ny fikarakarana ny zokiolona. Andraikitry ny zanaka sy ny taranaka ny mikarakara ny ray aman-dreny niteraka, rehefa reraky ny fitadiavana izy ireny. Manana zo miaro azy toy ny olona rehetra ny beantitra ary enjehin'ny lalàna ny fanararaotana sy fampijaliana iniana atao amin'izy ireny. Ny fitsinjovana ny fahasalamana amin'ny fahanterana dia manomboka amin'ny fahakely... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny diantsika iombonana, izay niorina tamin’ny firaisan-kina sy ny fanantenana nanavatsava ny tantara sy ny tolona nentin’ireo Ray aman-dreny, dia manentana antsika ankehitriny hamelona indray ireo soatoavina Malagasy sy hanamafy ny adidy iombonana amin’ny fanorenana fiaraha-monina mirindra, mba hanana ho avy mamiratra sy maharitra ho an’ny firenena sy ny taranaka. Na samy hafa aza isika dia miara-miaina anatin'ny fanantenana.... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Mahantra amoron'ny harena ny ankamaroan'ny Malagasy. Olom-bitsy koa no misitraka ny fitrandrahana ireo harena an-kibon'ny tany, izay hihazakazahan'ny firenena mpitady tombotsoa, hoy ny fanambaran'ny "Justice et Paix"... ♦ Miseho lany indray ny tsy fitovian-kevitra eo anivon'ny samy fiaraha-monim-pirenena manoloana ny fifidianana ireo mpikambana ao amin'ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny zon'olombelona (CNIDH)... ♦ Hisokatra ho an'ny besinimaro manomboka anio zoma eny amin'ny kianja Barea Mahamasina ny "Andron'ny seha-pamokarana eto an-toerana"...
16 mey — I Masindahy Luigi Orione dia teraka tamin'ny 23 jona 1872 tao Pontecurone, tao amin'ny diosezin'i Tortone. Teo amin'ny faha-13 taonany izy dia noraisin'ny Franciscains tao Voghera. Herintaona monja anefa izy no tao, noho ny tsy fahasalamany. Ny taona 1886 ka hatramin'ny taona 1896 dia, mpianatr'i Don Bosco tao Valdocco, tao Turin izy.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco