Mbola mahatazona ny vokatra tsara kalitao, haitao nolovaina avy amin'ireo ray aman-dreny tany aloha, amin'ny asa tanana vita amin'ny landy ny kaoperativa "Landy Avotra" ao Kelifaritra, Kaominina Ambanivohitra Ambohitrabiby, Distrikan'Antananarivo-Avaradrano.

♦ Mitady hirona mankany amin'ny fampianaran-dratsy ireo mpanao pôlitika, raha tarafina amin'ny famoriam-bahoaka ataony ankehitriny, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena... ♦ Niravona ny disadisa misy eo amin'ireo vondrona mpaninjara solika sy ny fitondram-panjakana, ka hiverina hadoa hetra ireo mpaninjara solika, amin'ny herinandro... ♦ Tsy tokony hifanilika andraikitra amin'ny famahana ny olan'ny mpianatra eny Vontovorona ireo mpitantana, hoy ny Filoha Nasiônalin'ny SECES...

Andao isika hiombom-po, saina, fanahy miaraka amin'ny renim-pianakaviana mijaly noho ny aretina. Ny vehivavy renim-pianakaviana ka valaky ny aretina dia mijaly ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy. Mila fanohanana koa ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy izy ireny avy amin'ny ankohonana, ny fianakavina, ny fiaraha-monina indrindra ny mpiasan'ny fahasalamana. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Mitaky ny hampitsaharana tsy misy fepetra ny tsindry mihatra amin'ireo mpitsara rehetra manerana ny nosy, ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara... ♦ Nitondra valin-kafatra amin'ireo tsikera miantefa amin'ny fitondrana ankehitriny, ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny fitokanana fotodrafitr'asa teny Andoharanofotsy... ♦ Mbola tsy manana kaopia nahaterahana ny 20%n'ireo ankizy latsaky ny 18 taona eto Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...