Rehefa mitombo ny velaran’ny fiaraha-monina dia mitombo ny adidy sy andraikitra. Maro ihany koa ny olana. Adidin'ny tsirairay no milatsaka ho naman’ny rehetra : manompo ny hafa, indrindra ireo marefo sy voahilika. Ilaina ny rafitra mba tsy hifanitsaka andraikitra : ohatra ao amin'ny ankohonana ; mifanentana amin’ny fahefan’ny ray ny adidiny, toy izany koa ny reny sy ny zanaka. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

Zoma 17 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

♦ Mila tsirihana ny lisitry ny mpifidy, nampidirana ireo olona nanaovana kara-panondrom-pirenena faobe, hoy ny Hetsika Rohy. Maro ireo tsy fahatomombanana hitan'izy ireo tamin'ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, tao anatin'ny efa-bolana... ♦ Namoaka fanambarana ny Sedinkan'ny Mpitsara eto Madagasikara, nilaza fa mikoroso fahana ny asam-pitsarana, anatin'izao fotoam-pifidianana izao. Simbaina isan'andro ny fahaleovan-tenan'ny Fitsarana, hoy izy ireo... ♦ Tovolahy iray 28 taona, no tra-tehaky ny Polisim-pirenena, naka an-keriny ankizivavy teny Ambohimanarina...

♦ Hotanerahana etsy amin'ny CCI Ivato amin'ny volana Jolay izao ny andiany faharoa amin'ilay fihaonamben'ny Malagasy mila ravinahitra any Ivelany. Fihaonana hikarohana hevitra momba ny fahafahan'izy ireo mitondra ny anjara birikiny amin'ny fampandrosoana ny firenena... ♦ Hanomboka amin'ny alatsinainy izao ny hetsika hahatsiarovana ny faha-76 taonan'ny tolom-panafahana tamin'ny 29 mars 1947... ♦ Efa mandeha ny fanatanterahana ny P.T.ASSO, tetik'asa fampandrosoana ny fanodinana ara-indostria ny vokatry ny Fambolena any amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana... ♦ Nampiato ny fifandraisana ara-diplômasia amin'ny Vatican ny mpitondra any Nicaragua...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...