♦ Olona 4 no maty, maherin'ny 16000 ny traboina, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Freddy, raha ny tarehimarika vonjimaika navoakan'ny BNGRC androany... ♦ Misy Solombavam-bahoaka maromaro, hanolotra tolo-dalana hanatsarana ny firafitry ny CENI. Efa mandeha ny ady sisika mba hahafahana mampandany izany eny Tsimbazaza, hoy ny Depiote Roland Ratsiraka... ♦ Hohenoina tsirairay eny amin'ny PAC indray, ireo tale 36 eo anivon'ny JIRAMA, voarohirohy amin'ilay raharaha fizarana "prime" mihoapampana. Efa nohenoina androany ireo sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA, izay mpitory...

♦ Heverina hivoaka any amin'ny lakan-dranon'i Môzambika anio tolak'andro ny rivo-doza Freddy. Foana avokoa ny loza mitatao sy ny loza manambana, ary ny fanairana fa filazana fahamailoana sisa... ♦ Hoy ny CENI : tsy miankina amin'ny CENI irery ny fahafahana miroso amin'ny fifidianana kaominaly, manoloana ny antson'ny mpanao pôlitika sasany, ny amin'ny tokony hamoahana tetiandro amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna... ♦ Mandeha araka ny tokony ho izy ny fanadihadiana ara-tontolo iainana amin'ny tetikasa lalam-be migodana, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, ka miankina amin'ny valin'izany no hanomezan'ny ONE valin-teny amin'ny fizotry ny asa... ♦ Miverina mianatra rahampitso ny mpianatra eto amin'ny Faritra Analamanga...

Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny ny amin'ny fiainan'ny tanora 18 hatramin'ny 21 taona, manoloana ny fitiavana. Misy ny fironana mampiahiahy ankehitriny ny amin'ny fiarahan'ny olon-droa mitovy fananahana. Tokony hanitsy ny fiheverany ny tanora fa tsy ny firaisana ara-nofo no tena atao hoe porofom-pitiavana. Betsaka ny tanora no manambany ny tenany ka mahalaza manao hoe : ratsy tarehy izy. Ho an'ireo +18 : Ny fidirana amin'ny sehatry ny fitiavana dia tsy midika hoe tara fa kosa manana fotoana kokoa aza handinihana ireo tokony hatao. Tsy voatery ho fahadisom-panantenana no manosika ny tanora hifankatia mitovy fananahana, isan'ny antony ireny ny fomba fanabeazana ireo tanora ao an-trano na eny amin'ny fiaraha-monina.

♦ Tany amin'ny Distrikan'i Ikalamavony no nisy ny ivon'ny rivo-doza Freddy tamin'ny 5 ora maraina teo. Hihena hatrany ny heriny amin'ity anio ity, ary tombanana hivoaka any amin'ny manodidina ny Distrikan'i Morombe anio tolakandro. Efa foana ny filazana loza ho an'ny Faritra Analamanga... ♦ Efa namoizana ain'olona iray sahady, omaly hariva, noho ny rivo-doza Freddy, ny tany Mahanoro. Mafy ny fahavoazana tany Mananjary, izay nidiran'ity rivo-doza ity, An'aliny ny tra-boina any Vatovavy... ♦ Ny ministra miisa 05 amin'ireo ministra 08 vaovao, no efa nandray ny fitantanana ny ministera omaly, taorian'ny famindram-pahefana...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...