♦ Nifarana omaly ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny andriam-panjakàna mpanao lalàna eto Madagasikara. Niantso fitoniana pôlitika ny filohan'ny antenimeram-pirenena Razanamahasoa Christine. Nidera ny zava-bitan'ny governemanta ny Filohan'ny antenimieran-doholona Razafimahefa Herimanana... ♦ Madio sy mangarahara ny fitantanam-bola eny amin'ny antenimieram-pirenena hoy ny Kestora voalohany misahana ny vola... ♦ Mbola manamafy ny fitakiana hanohizana ny fizarana ny tamberim-bidy arotsaky ny orinasa Ambatovy any amin'ny kitapom-bolam-panjakàna ho an'ireo kaominina tokony hisitraka izany ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena momba ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany na ny OSCIE...
Niteny tamin'ny vavan'ny mpampinany Andriamanitra taloha fa taty aoriana dia tamin'ny alalan'ny Zanany Lahitokana. Tsy mora ny fiantefan'ny Tenin'Andriamanitra : velona sy mahery ny Tenin'Andriamanitra, ka maranitra noho ny sabatra roa lela, miteraka ny fiavahan'ny aina sy ny fanahy. I Jesoa irery ihany no Tenin'Andriamanitra arahintsika sy iainantsika ary hampanjakaina eto an-tany. Katesizy momba ny tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Sabotsy 17 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 1-17
♦ Niova ny fijerin'ny MCC sy ny tompon'andraikitra amerikana, ny fitantanana ny raharaham-pirenena eto Madagasikara. Raha tao anatin"ny "Zone rouge" isika nandritra ny taona maro dia tafiditra anatin'ny "Zone verte" ankehitriny... ♦ Ho sasa-poana ireo minia manakorontana eto amin'ny firenena, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona... ♦ Mitaky ny hanohizana ny fizarana ny tamberim-bidy arotsaky ny orinasa Ambatovy ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, ho an'ireo vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana tokony hisitraka izany, ny vovonan'ny firaisamonim-pirenena momba ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany...
• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco