Ny fijoroan'ny renim-pianakaviana ho mpanohana sy mpankahery ny vadiny dia efa tohana lehibe sady mandrisika azy hiasa. Adidin'ny raiaman-dreny ny mamelona ny zanaka, sady zon'izy ireo koa ny ho toy ny zana-bahoaka : misakafo, mianatra, mitafy, milalao. Ny fandraisana andraikitra sy fizarana asa madinika ao an-trano dia tsy fampiasana zaza fa fanazarana azy. Katesizy momba ny asa fivelomana andavanandro, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Zoma 14 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra favalo amby roapolo Mandavantaona — Mamirapiratra tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao ianao, satria mitana ny tenin’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 1-7
♦ Feno 5 taona katroka andraony ny nahafatesan'ny Profesora Zafy Albert. Manohy ny tolona nataony ireo mpanara-dia azy, ary nilaza fa mifanaraka amin'ny foto-kevitra nimatimatesany ny fanaovana fikaonandoham-pirenena... ♦ Herinandro androany no nikatsoan'ny raharaha eny anivon'ny fitsarana manerana ny nosy, vokatry ny fitokonan'ireo mpiraki-draharaha. Ahiana mbola hitohy amin'ny herinandro indray izany, manoloana ny tsy fisian'ny fandraisana andraikitra, hoy ny sendika...
♦ Misedra olana ny sekoly miahy tena eto amintsika. Maro ireo nikotona sy tsy nahafeno ny fetr'isan'ny mpianatra tamin'ity taom-pianarana 2022-2023 ity... ♦ Hanao hetsika faobe hizara masomboly sy zezika ho an'ny tantsaha amin'ny Faritra samihafa eto Madagasikara ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. 4 Miliara Ariary no natokana hividianana izany... ♦ Tanterahana ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ny hetsika "anjara hetrako sy ny hetra phone". Ny Faritra Atsimo-andrefana izay nahavita dingana tsara amin'ny fampidiram-bola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco