♦ Niampy olona 02 isa, ankehitriny ny isan'ireo olona nosamborin'ny kaompania Imerina Central noho ilay fanafihana nahafatesana olona 32 tany Ankazobe tamin'ny zoma alina teo... ♦ Tokony tsy hividy ilay vary simba ny mpanjifa ao Toamasina raha misy mahita izany eny an-tsena, ary hampandre ihany koa ny tompon'andraikitra ahafahana manala izany eny amin'ny tsena. Efa any an-toerana ny ekipan'ny ministeran'ny varotra mampihatra ny fepetra noraisina... ♦ Tsy nahomby ny nampiasàna ilay tetim-pivoaran'ny fanabeazana na ny PSE natomboka ny taona 2018 ary hifarana ny taona 2023 izao hoy ny ministry ny fanabeazam-pirenena...

♦ Nifarana omaly ny fivorian'ny SCEAM na ny fikaonandohan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara, izay natao any Akra, renivohitr'i Ghana. Nisolo tena ny fivondronamben'ny Eveka Malagasy i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, arsevekan'Antsiranana... ♦ Ho fanatsarana sy fanavaozana ny rafim-pampianarana eto Madagasikara, tena hitondra fandrosoana sy hifanaraka amin'ny vaninandro ankehitriny dia hitohy anio etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandoham-pirenena tanterahin'ny ministera telo tonta voakasiky ny resaka fampianarana, fanabeazana ary fampiofanana... ♦Mila vahana haingana ny olana mahatonga ny fitokonan'ny mpiasn'ny FCE, ka nitarika ny tsy fisian'ny fitanterana an-dalamby mihazo an'i Manakara...

02 aogositra — Teraka tao Paris ny 12 aogositra 1858 i Auguste, Polonais ny rainy, Władysław no anarany, printsy izy io, ary ny reniny kosa Espagnole, Maria Amparo no anarany, zanaky ny mpanjakavavin’i Espagne Maria Christina.

Masina ny fanambadiana fa tsy kilalao. Manana ny hajany ambony loatra ka mendrika, tsy natao hosihosena amin'ny tany. Hoy ny Soratra Masina hoe : Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian'ny mpivady, fa hoheloin'Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona. katesizy momba ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...