Ny eglizy sy ny fitondram-panjakàna dia mpiara-dia amin'ny sehatry ny fampandrosoana, ara-batana, ara-panahy. Ny fiangonana dia sady famantarana no fiarovana toetra ambony mahaolona ny olona iray. Samy manana ny adidiny ny fiangonana sy ny fitondram-panjakàna fa mifameno kosa izany adidy masina izany. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 31 jolay 2022 — Alahady fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Miambena ary mivonona ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoraran'i Masindahy Lioka 12, 13-21
Amin'izao fotoana ny andro ririnina izao no mampitombo kokoa ny fanaintainana eo amin'ny vanin-taolana. Ny fisehony : manaintaina ny vanin-taolana, misy fivontosana, fihetsika voafetra. Tsy tokony hatao ny manotra ny vanin-taolana sao hanapaka ireo ozatra kely mampifandray ny taolana roa. Misy karazany roa ny aretin'ny vanin-taolana na ny arthropathie : ny arthrites na ny fanafihan'ny otrikaretina ny vanin-taolana ; ary ny faharoa dia arthroses, izay fahasimban'ny taolana malemy eo amin'ny loha-taolana. Ny antony : vokatry ny dona, fahanterana, virisy hepatika (mamparary ny aty).
♦ Entanina tsy hanararaotra amin'ny fampiakarana mihoampampana ny vidin'ny entana ilaina andavanandro ny mpivarotra sy ny mpandraharaha, manoloana ny fiakaran'ny vidin-tsolika, izay tsy azo nialana hoy ny teo anivon'ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Manan-karena volamena i Madagasikara ho ny Synpromine-Mad na "syndicat professinnel des mines de Madagascar, ka tokony fehezina tsara io sahatry ny volamena io mba hampivoarana ny tanindrazana... ♦ Mitaraina amin'ny alafon'ny ankora fototra sy ny tsy fisian'izany ny mpanao asa-tanana malagasy, lasan'ny sinoa eny ifotony ambongadiny izany tao anatin'ny taona vitsy izay ho izy ireo...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco