5 avrily 2025 — Sabotsy, Herinandro Fahefatra amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 7, 40-53)

• Manoloana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Toliara dia misy fanambarana navoakan'ny Arsidiôsezin'i Toliara, entina amintsika eto... • Malagasy hatrany amin'ny 240.000 no hovoakasika mivantana amin'ny fanapahan-kevitr'i Etazonia amin'ny resaka haban-tseranana, hoy ny Randrana Sendikaly... • Efa ofisialy izao fa i Madagasikara no handray ny fihaonambe fahavalon'ny Tanora Afrikana Mifandray, na ny Youth Connect Africa Summit, izay hotontosaina ny volana novambra 2025...

• Efa matipaika ny fandaminana ny fandraisana ny Jobily Nasionaly ao amin'ny Diôsezin'i Miarinarivo... • Tsy maintsy mitady ny very Andriamanitra, hoy ny Papa François, tamin'ny fandalinam-pinoana natolony ny alarobia lasa teo... • Masindahy Joany Paoly II, mpivahiny tsy mahalala sasatra tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly...

Mamokatra mangahazo 3 tapitrisa taonina eo ho eo Madagasikara araka ny tarehimarika ny taona 2022. Mahatratra eo amin’ny 7,5 taonina isaky ny hektara ny vokatra miakatra. Manodidina ny 4 hetsy hektara ny tany amokarana mangahazo eto amintsika. Natokana ho sakafon’ny olombelona ny ampahany amin’ny mangahazo eto Madagasikara. Ny 60 isanjato, manodidina ny 8 hetsy sy iray tapitrisa taonina kosa dia natao ho sakafon’ny biby fiompy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...