Sabotsy 1 ôktôbra 2022 — Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 17-24
♦ Mpikirakira tambazotran-tserasera Facebook miisa roa no nampidirina am-ponja vonjy maika tao aorian'ny fihainoana azy ireo... ♦ Lohan'afo efatra avy no nitarika ny firehetana tany amin'ny faritra arovana Baie de Baly sy ny valan-java-boahary Ankarafantsika. Efa mandeha ny fanadihadiana ankehitriny... ♦ Ho tara ny rotsak'orana eto Madagasikara noho ny fikorontanan'ny toetrandro. Fahatarana toy ny efa hita tao anatin'ny roa taona...
♦ Hanomboka anio 1 ôktôbra ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Miisa 5000 ireo mpanisa mpifidy hitety tokantrano manomboka anio... ♦ Nolaniain'ny Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo ny soso-kevitra fanomezan-dalana ireo Taxi-moto hiasa ao an-drenivohitra. 27 ireo mpanolotsaina nandany izany raha nivoaka ny efitrano kosa ireo tsy nankatoa... ♦ Tsy eken'ireo mpanao gazety any Bongolava ny fanilikilihana sy ny fanivanana mpanao gazety, izay nataon'ny mpitantana ny Faritra...
01 ôktôbra — I Thérèse de l'Enfant Jésus, na i Thérèse de Lisieux na i Thérèse Kely, dia teraka ny 02 janoary 1873, ary roa andro tao aorian'io, izany hoe ny 04 janoary izy no natao Batemy tao amin'ny fiangonana Notre-Damle d'Alençon. I Louis Martin no rainy, mpanamboatra famantarandro izy io, ary Zélie-Marie Guérin no reniny, mpanao dentelles no asany.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco