Aoka ho fantatsika fa ny "safidy" ao amin'ny olombelona dia anisan'ny fanomezan'Andriamanitra ambony indrindra, ka na Izy Mpahary aza dia manaja io safidy mipetraka amintsika olombelona io. Apetrany amintsika olombelona ny safidy na hanaraka ny lalan'ny fiainana na ny lalan'ny fahafatesana. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore Ferdinand.

♦ Nifanakalo hevitra momba ny fanaraha-maso ireo toromariky ny iraka manokan'ny Vondrona Eorôpena, nanara-maso ny fifidianana tamin'ny 2018, androany ny teo anivon'ny CENI sy ny Masoivoho vaovaon'ny Vondrona Eorôpeana... ♦ Efa ao anatin'ny dingana fandinihana ny hanitarana ny tsena fivarotantsika ny fanafody vitan'ny Pharmalagasy eo anivon'ny SADEC sy ny COMESA ankehitriny, ny fitondram-panjakana... ♦ Vita ny fanarenana ny tany hananganana ny tetikasa Tanamasoandro, ka efa azo hanorenana trano any an-toerana...

Voambara ao amin’ny fahazavan’ny misterin’ny Pakan’ny fahafatesan’i Kristy sy ny fitsanganany ho velona ny hevitra kristianina momba ny fahafatesana. Izany no iorenan’ny hany fanantenantsika. Mandao ity vatana ity ny kristianina, izay maty ao amin’i Kristy Jesoa mba handeha honina eo akaikin’ny Tompo. Manazava ny momba ny fombam-pivavahana mandritra ny fandevenana kristianina i P. Randriamanamahenina Robert Marie

♦ Notendren'ny Papa François ho Nonce Apostolique eto Madagasikara, i Mgr Tomasz Grysa... ♦ Nohamasinina ho pretra tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, ny Diakra Raherisoa Athanase... ♦ Nanao fitsidihana pastôraly tao Anosimisaona, i Mgr Rosario Vella...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...