Vao teraka ny vehivavy dia efa narafitr'Andriamanitra ho reny. Ka na ny toe-batany na ny toe-tsainy dia efa  voavoatra sahady ho amin'izany iraka sarobidy sy masina izany. Arakaraky ny  handrosoan'ny taonany ho amin'ny fahamatorana no hiomanany amin'ny fikarakarana tokantrano aoriana kely. Ny ray aman-dreny dia manana adidy amin'ny fanabeazana ny zanaka vavy mba ho reny. Katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.

Alarobia 21 septambra 2022 — Masindahy Matio, Apôstôly Evanjelista — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 9-13

♦ Miverina manomboka androany 20 septambra ny fahafahana manondrana vatosoa sarobidy any ivelany, araka ny fampahafantarana nataon'ny Minisitry ny Harena ankibon'ny tany... ♦ Hametra-pialana ireo mpikamban'ny kabinetran'ny Minisiteran'ny Mponina, raha voaporofo ny maha tompon'antoka ny Ministra Princia Soafilira, tamin'ilay raharaha fanapohana solika ; ary manana hatramin'ny rahampitso ilay gazety nilaza izany mba hamoahany ny porofo... ♦ Fianakaviana sahirana sy marefo ara-pivelomana maherin'ny arivo, any amin'ny Distrikan'Andilamena, no nisitraka vary tsinjo avy amin'ny fitondram-panjakana...

♦ Tokony hanaiky hiditra amin'ny fikaonandoham-pirenena ny fitondrana, hoy Andriamatoa Zakahely Boniface. Nambaran'ity mpanao politika ity fa mila fanorenana ifotony ny Lalam-panorenana sy ny rafi-panjakàna i Madagasikara, raha ny zava-misy amin'izao... ♦ Hikaroka fanafody hitsaboana ny homamiadana sy ny tosi-drà ny IMRa. Eo amin'ny telo taona eo farafahakeliny no fotoana ilain'ity ivo-toerana ity amin'ny fikarohana izany fanafody izany... ♦ Hiatrika lalao iraisam-pirenena ny Barea U-23 manomboka amin'ny faran'ny herinandro izao. Lalao mandroso sy miverina, hifanandrinana amin'i Seychelles ho an'ny fifanitsanana CAN 2023 eo amin'io sokajin-taona io...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...