♦ Nasiam-panovana ny fahafahan'ny Malagasy miasa sy mifindra monina any ivelany. Namoaka filazana mirakitra izany ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, omaly... ♦ Tsy eken'ny fikambanan'ny mpivarotra ao Antananarivo Renivohitra ny hitsofohan'ny orinasa SMGD, amin'ny fitakiana haba eny anivon'ny tsena... ♦ Manome folo andro ny ftiondram-panjakana ireo mpandrahraha amin'ny harena ankibon'ny tany, mivondrona ao amin'ny Federasiona FOMM, hamahana ny olana mianjady amin'izy ireo...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sady nanasitrana ny marary. Efa ho hariva ny andro ka nanatona Azy ny roa ambin’ny folo lahy nanao taminy hoe: "Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin’ny vohitra sy ny saha manodidina, fa aty an’efitra isika izao". Fa hoy Izy taminy: "Omeonareo hanina izy". Dia namaly ireo nanao hoe: "Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay, mba hisy hohanin’ireo vahoaka be ireo". Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimampolo avy ny olona". Dia nataony izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. Tamin’izay, noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin’ny mpianany, mba harosony eo anoloan’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky. Dia nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany nanao hoe: "Efa renareo koa fa voalaza tamin’ny Ntaolo hoe: ‘Aza mianiana tsy tò, fa efao amin’ny Tompo ny fianiananao.’ Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hianiana akory, na amin’ny lanitra, fa seza fiandrianan’Andriamanitra izy; na amin’ny tany, fa fandiavan’ny tongony izy; na amin’i Jerosalema, fa tanànan’ny mpanjaka lehibe izy; na amin’ny lohanao, fa tsy mahay mahafotsy na mahamainty na dia singam-bolo iray akory aza ianao. Fa aoka ny teninareo ho eny, dia eny; tsia, dia tsia; fa izay mihoatra noho izany dia avy amin’ilay Ratsy."
Ny vondrona rehetra eo amin'ny antanantohatra ambony dia tsy maitnsy mivonona hitondra fanampiana "Subsidium", ho fanohanana, na ho fampandrosoana na ho fampivelarana an'ireo vondrona amin'ny antanantohatra ambaniny kokoa. Tsy tokony ho salovanina mihitsy ny finiavana, ny fahafahana, ary ny andraikitra. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco