Ny firehan-kevitra politikam-pitantanana tokony hanana dia : ny mikendry ny tanjom-piainana "soa iombonana" ho an'ny fiaraha-monina fa tsy tia kely. Tsy maintsy misy ny rindran-damina araka ny tanjona sy ny fironana amin'ny sehatra rehetra toy ny fikambanana sy ny antoko. Omena lanja ny fahambonian'ny olombelona, miohatra amin'ny zavatra hafa. Katesizy momba ny fitondram-panjakàna sy ny adidiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Zoma 29 jolay 2022 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 54-58
♦ Miombon-kevitra amin'ny tokony hisian'ny fifampiresahann'ny ankolafin-kery eto amin'ny firenena ny antoko Otrikafa. Tsy ekena hoy izy ireo ny fikatsahana fiaraha-miasa aorian'izany dinika izany... ♦ Tompon'antoka amin'ny fidangan'ny vidin'ny entana ilaina andavan'andro eto amintsika ny ministeran'ny varotra hoy ny filohan'ny Fikambanan'ny Tanora avara-pianarana na ny FITAMA... ♦ Mampiodina tetik'asa mivohy mankany amin'ny fandriampahalemana ny Antilin'i Madagasikara any amin'ny diosezy Ambositra... ♦ Hifampiresaka amin'ny lehiben'ny diplômasia rosiana ny lehiben'ny diplômasia amerikana. Tsy mbola voafaritra ny fotoana hanaovana izany...
Fandaharana "Mba ho vanona" : famintinana ny natao nandritry ny taom-piasana 2021-2022. Taom-piasana niresahana ny fananganana ny rindrin'ny fahavanonana : ny maha-olom-banona, ny maha-olom-pirenena ary ny tamberin'andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco