♦ Nihaona tamin'ireo tompon'andraikitra ambony samihafa nanamafy ny fifandraisana misy eo amin'i Madagasikara sy Djibouti ny filohan'ny antenimieran-doholona Razafimahefa Herimanana... ♦ Tombontsoa lehibe no ho azo amin'ny fidirn'i Madagasikara ao amin'ny ZLECAF aty Afrika, ka tena ilaina ny fanavaozana ny fambolena ireo vokatra tena andrin'ny toe-kareba Malagasy... ♦ Omena sehatra sy asa ary henoina ny fikambanan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa manoloana ny ady amin'ny fiakaran'ny vidin'entana ilaina andavan'andro...

Ny faha 29 marsa isan-taona dia fanamarihana sy fahatsiarovana ireo maheri-fo nitolona ho antsika malagasy tamin'ny taona 1947. Ny renim-pianakaviana no tsara toerana kokoa amin'ny fampitana ny tantara sy ny fanabeazana ny zanaka. Ny renim-pianakaviana dia manana andraikitra ho fanabeazana ny zanany ho olom-pirenena vanona sy hanana fitiavan-tanindrazana ; ny ankohonana rahateo no sekoly voalohany ho fampanajana ny fitsipika sy ny fanabeazana fototra...

♦ Anio farafahatarany no mivoaka ny tetiandro momba ny vatsim-pianarana ho an'ireo oniversite tsy mbola nisitraka izany... ♦ Misy ny tetik'asa vaovao, tohana ho an'ny fanavaozana sy ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra eo amin'ny rafitry ny famokarana sakafo. Tetik'asan'ny  FAO, iarahana manatanteraka amin'ny ministeran'ny Fambolena sy Fiompiana... ♦ Hitohy any Frantsa ny fitsaràna an'i Lionel Lelièvre ilay voarohirohy ho namono an'ilay teratany indo-pakistanais Danil Radjan...

Tsy ny firehan-kevitra no ampy hamaly ny fihantsian'ireto fanamby ireto : ny fiitaran'ny tanàna, ny tontolom-piainan'ny tanora, ny toerana misy ny vehivavy, ny tsy fananana asa, ny fifindra-monina, ny herin'ny fitaovam-pifandraisan'ny mpiara-belona. Feno 80 taona ny "rerum novarum" tamin'ny 1971, ary teo koa ny firoborobon'ny indostria. Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...