♦ Eny amin'ny Ekar Antanimena no hanaovana ny fiombonam-bavaka ho an'ny diôsezy Antananarivo, araka ny fanentanana nataon'ny papa François, ho an'ny fiadanana sy  ny fandriampahalemana... ♦ Tombon-dahiny lehibe ho an'ny antoko ADN ny maha mpikambana anatin'ny antoko liberaly eran'izao tontolo izao azy, satria tena misy vokany lehibe amin'ny fampandosoana ny firenena izany... ♦ Namoy mpanakanto indray ny Malagasy, nody mandry tamin'ny sabotsy teo i Kellly Rajerison, nalaza tamin'ny gadona Rock sy ny Blues...

♦ Miantso ny kristiana rehetra eran-tany ny Papa François, amin'ny zoma 25 marsa 2022, mba hivavaka hanankinana amin'ny fo madion'i Maria ny ady eo amin'ny Rosiana sy  Iokraina mba hitsahatra... ♦ Hivory maika rahampitso ireo rehetra voakasiky ny resaka fizahan-tany, hanatsarana ny zotra fizahan-tany ao amin'ny Parc Isalo... ♦ Nankasitraka ireo mpanjono tany Mahambo, namonjy ny SG miadidy ny zandarimariam-pirenena, ary nanondrotra galona ireo velon'aina, ny filoham-pirenena...

Asongadin'ny Papa Joany faha-23, amin'ity ansiklika ity ny fifandraisan'ny firenena samihafa mba hanafoanana ny fanavakavahana amin'ny endriny rehetra "racisme" sy ny hahafahan'ny firenena tsirairay mizaka-tena amin'ny fivoarana "autodeveloppement" ary ny mba hisian'ny fifanampiana "assisntance mutuelle". Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alatsinainy 21 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 24-30

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 jona 2025

• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...