Sabotsy 26 febroary 2022 — Herinandro fahafito mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 13-16

♦ Nanazava ny toe-draharaha iraisam-pirenena misy any Ukraine ny Masoivohon'i Allemagne miasa eto amintsika. Nambarany fa krizy hisy fiantraikany amin'i Madagasikara ny fampiharana sazy ara-toe-karena amin'i Rosia... ♦ Hamokatra herinaratra manomboka amin'ny faran'ny herinandro izao ilay toby famokarana any Farahantsana, Mahitsy. Hamoaka vaikan'aratra 20 Mégawatts ity toby ity amin'izao voalohany izao... ♦ Tany 2800 hekitara no lasan'ny orinasa iray, tamin'ny fomba tsy mazava, any amin'ny Distrikan'i Mampikony sy Port-Bergé...

♦ Manatanteraka ny fivoriam-be fanaony ny Secteur Avaratra ao amin'ny Diôsezin'Antsiranana. Dinika momba ny Sinaody no mibahan-toerana amin'izany... ♦ Nifantoka tamin'ny hevitra sy ny lanjan'ny fahanterana ny katesizin'ny Papa François, nanomboka ny alarobia 23 febroary 2022... ♦ Nanao antso avo ho amin'ny fifampiraharahana eo amin'i Rosia sy Ukraine ny Kardinaly Pietro Parolin, Sekreteram-panjakana ao amin'ny Fiketrahana Masina...

Miray hina hampivoatra ny velon-tenan'ny vehivavy tantsaha any amin'ny Faritra Vakinankaratra ny vehvavy mivondrona anatin'ny fikambanana misehatra amin'ny asa fampandrosoana eny ambanivohitra ao amin'ny distrika Mandoto na ny FARM "Femme en Action Rurale de Madagascar" Vakinankaratra. Manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana izy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...