Tamin’izany andro izany i Jesoa dia feno ny Fanahy Masina ary niverina avy tany Jordany ka nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro, sady nalain’ny devoly fanahy Izy, no tsy nihinana na inona na inona nandritra izany andro izany; ka noana nony tapitra izany. Dia hoy ny devoly taminy: "Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, asaovy tonga mofo io vato io". Fa hoy i Jesoa taminy: "Efa voasoratra hoe: Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra avy amin’Andriamanitra".

Dia nentin’ny devoly niakatra tany amin’ny tendrombohitra avo anankiray Izy, ka nanehoany indray mipy maso ny fanjakana rehetra amin’izao tontolo izao, ary hoy izy taminy: "Homeko Anao avokoa izao fanapahana rehetra izao sy ny voninahiny, satria nomena ahy ka mba omeko izay tiako kosa. Koa izao àry: raha mitsaoka ahy Ianao, dia ho Anao avokoa izy". Fa izao no navalin’i Jesoa azy: "Efa voasoratra hoe: Ny Tompo Andriamanitrao no hivavahanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao".

Dia nentiny tany Jerosalema indray Izy, ka napetrany teo an-tampon’ny Tempoly, ary nilazany hoe: "Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mianjerà any ambany any; fa efa voasoratra hoe: Nomeny didy hiambina Anao ny Anjeliny, ary hitondra Anao eo an-tanany izy ireo fandrao tafintohina amin’ny vato ny tongotrao". Fa namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Efa voasoratra hoe: "Tsy haka fanahy ny Tompo Andriamanitrao ianao". Nony tapitra nanao izao fakam-panahy Azy rehetra izao ny devoly, dia nandao Azy aloha mandra-piavin’ny fotoana indray.

♦ Hanohy ny diany hamakivaky ny Faritra Anosy ny rivodoza Emnati, ary tombanana hivoaka an-dranomasina any amin'ny Faritra Androy amin'ny fiafaran'ny tolak'andro... ♦ Fahapotehana mihoampmpana indray no nisy tany amin'ny Faritra atsimo-atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany noho ny rivodoza Emnati, raha mbola tsy niarina akory ny fahavoazana tamin'ny rivodoza Batsirai ♦ Ambony be ny fandraisan'anjaran'ny banky iraisam-pirenena amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara ankehitriny, raha ny zava-misy hatrizay hoy ny praiministra Ntsay Christian...

Manimba ny fahasalamana ary mety hafaty mihitsy ny fanaovana dokotera-tena. Ny tanjona dia ny fahasalaman'ny vatana sy ny fanahy. Ny fahalalana fototra dia singa hitazaina ny fahasalamana. Ny voa dia taova saropady ary tsy tokony hanaovana dokotera-tena, izay manadio ny ra. Mila misotro rano ara-pahasalamana isika mba hanampy ny voa amin'ny asany. Ny fanaovana dokotera-tena dia mety hiteraka tsy fahalavorariana ara-pahasalamana maro. Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.

♦ Niditra an-tanety ny rivodoza Emnati. Tany amin'ny distrikan'i Vondrozo no nisy ny ivony tamin'ny 6ora maraina teo... ♦ Manentana ny rehetra hiombom-po sy hiray saina, ny filoha lefitry ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Fulgence Rabemahafaly mba tsy hisian'ny fanararaotana amin'izao rivodoza izao... ♦ Trano 97 no indray nodoran'ny dahalo tany amin'ny tanàna Mahasoa, kaominina Tsivory, Amboasary-atsimo, olona 350 no tsy manan-kialofana...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...