Talata 8 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 1-13

♦ Tsy mihevitra ny haka ny toeran'ny Praiminisitra ny tenako, hoy ny Minisitra Imbiky Herilaza, androany. Miantso ny rehetra hiandry am-pitoniana ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ilay resaka niparitaka tamin'ny Facebook, ihany koa izy... ♦ Zazalahy kely 3 taona, zanaka karana mpandraharaha no nisy naka an-keriny androany, teny Ambodivonkely Ambohimanarina... ♦ Tafakatra ho 82 ireo olona namoy ny aniny tany Ikongo, vokatry ny rivodoza Batsirai, raha ny tatitra avy amin'ny Solombavam-bahoaka avy any amin'ity Distrika ity...

♦ Nandefa hafatra ho fiombonam-po amin'ireo traboina noho ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai, ny Fivondronamben'ny Eveka... ♦ Mankasitraka ny herim-po ananan'ireo vehivavy relijiozy sy manokan-tena ny Papa François... ♦ Nanatanteraka zaikabe rezionaly ny Garde d'Honneur Fo Masin'i Jesoa ao Toamasina...

♦ Efa Miha-manalavitra tanteraka an'i Madagasikara ilay rivodoza Batsirai, vaovao avy amin'ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro... ♦ Nahafaty olona 12 ny firodanan'ny trano tany Ambalavao, vokatry ny fandalovan'i Batsirai. Rava ny fonja ao Ikongo, voatery nampidirina an'efitranon-tsekoly ireo voafonja... ♦ Feno 13 taona katroka androany ilay raharaha fitifiran'olona teny Ambohitsirohitra ny 07 febroary 2009. Tsy misy tohiny ny fanadihadiana hatramin'izao... 

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...