Alakamisy 28 aprily 2022 — Herinandro faharoa fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 31-36
♦ Tena misy ilay fikasàna hitsipàham-pitokisana ny governemanta eny amin'ny Antenimieram-pirenena, raha ny filazan'ny Solombavambahoaka. Amin'ny fivoriana ara-potoana voalohany izay hanomboka amin'io herinandro io no voalaza fa hanaovana izany... ♦ Mpanolontsain'ny tanànan'Antananarivo miisa dimy indray androany no nampanantsoina teny anivon'ny sampan-draharaha misahana ny heloka an'habaka eny Anosy, nohenoin'ny polisy momba ny filazàna vaovao tamin'ny facebook... ♦ Tokony hampanarahana ny fenitra aty Afrika ny fampiakarana karama ho an'ny sehatra tsy miankina, raha ny hevitry ny Randrana Sendikaly. Miantso ny filoham-pirenena hampiakatra ny karama farany ambany ho 300.000Ariary ity vondrona ity androany...
♦ Fanapahan-kevitra lehibe ary isan'ny endrika iray entin'ny fitondram-panjakana hiatrehana ny krizy misy eran-tany ankehitriny ny fampiakarana ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny fandinihana ihany koa ny an'ny sehatra tsy miankina... ♦ Ny 80%-ny PPN ampiasain'ny Malagasy dia mbola afarana avokoa. amin'ity taona ity ary fanodinam-bokatra hatrany amin'ny 75 no hapetraka mba hialana amin'izany... ♦ Andalam-pivoahana an-dranomasina ao atsimon'i Farafangàna ny ivon'ny sisan-drahona miaraka amin'ny rivo-doza Jasmine...
Rehefa miditra amin'ny sehatry ny asa dia azo ambara ho matotra sy mahaleo tena ny olona iray. Betsaka ny tanora mitady asa, misedra olana anefa izy ireny noho ny filan'ny tsenan'asa mitaky traikefa izay mifanalavitra amin'ny fiofanana sy ny fianarana nataon'izy ireny. Araka izany ilaina ny toe-tsaina tsy mora kivy, ilaina ny fametrahana tanjona mazava mba ho solika hanosika ny tena hiasa tsara. Ny asa dia tsy tanjona fa lalana iray mitondra amin'ny famitana ny iraka sy tanjona ary ny filamatra...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco