Ny fikambanana masina na ny any an-tsekoly, na any am-piangonana dia antsoina hamoha ny antson'Andriamanitra ho pretra. Ny fampandraisana  andraikitra any amin'ireny sehatra ireny no miteraka fahazarana ho an'ny tanora. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

Zoma 31 desambra 2021 — Andro fahafito amin'ny havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina tatý amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18

♦ Mbola nohamafisin'ny Préfet-n'ny Polisy ny fepetra ara-pahasalamana tsy maintsy arahina ho fiatrehana ny faran'ny taona sy ny taom-baovao, eto amin'ny Faritra Analamanga... ♦ Misy ambadika pôlitika sy fikendrehana famotehana ny fitorian'ny Solombavambahoaka iray an'i Jean Nirina Rafanomezantsoa, raha ny nambarany androany... ♦ Basy 358 no nisy nanatitra teny amin'ny tobin'ny zandary tany amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa, Toamasina ary Antsiranana, vokatry ny fanentanana nataon'ny Zandarimariam-pirenena...

♦ Manentana an'ireo olona monina eny ambanin'Ampahamarinana sy ny manodidina ny BNGRC mba handao izany toerana izany. Tandindomin-doza tanteraka izany faritra izany amin'izao fiavian'ny orana izao... ♦ Miantso ny malagasy hiandry ampitoniana ny vokatry ny fanadihadiana tamin'ny loza nitranga an-dranomasina tany amin'ny faritra Analanjirofo ny fikambanana JIDIFFATO... ♦ Mirongatra ny Covid-19 any amin'ny faritra Atsimo-Atsinanana. Mandray fepetra hisorohana ny fiparitahany ny tompon'andraikitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...