♦ Natsahatra tanteraka ny famokarana herinarata miainga any Andekaleka, vokatry ny fahasimbana samihafa. Mbola hitohy ny "delestage" eto Antananarivo, noho ny tsy fahampiana angovo aterak'izany, hoy ny Jirama... ♦ Mihazakazaka ny atsy amin'ny nosy Comores amin'ny fanadihadiana ilay volamena 49 kilao tratra tany an-toerana. Mangingina kosa isika eto Madagasikara, na misy teratany Malagasy roa aza voarohirohy... ♦ Hiverina an-tsekoly hiatrika ny telovolana faharoa ny mpianatra. Maro amin'ny ray aman-dreny no mametraka ahiahy, noho ny firongatry ny Covid-19, indrindra ny eto Antananarivo...

Mba hampiroborobo ny antso ho pretra dia isan'ny takiana amin'ireo voaantso ireto : Mampianatra ny olona hidera ny Ray, mamangy sy mikarakara ny marary, manampy ny reny misedra fiainana, fanomezana sakafo ny ankizy. Katesizy momba ny fampiroboroboana ny antson'Andriamanitra ho pretra, iarahana amin'i P. Ratovoalinirina Bertrand.

Talata 4 janoary 2022 — Herinandro manaraka ny Epifania — Nitory ny Evanjelin'ny Fanjakan'Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin'ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 34-44

♦ Handà hatramin'ny farany ny fametrahana fotodrafitr'asa mifandraika amin'ny téléphérique ao amin'ny faritry ny Kolejy Masina Misely ny tompon'andraikitry ny kolejy... ♦ Mihatra avy hatrany amin'ireo tsy manaraka ny fepetra iadiana amin'ny Covid-19 ny sazy manomboka izao, araka ny didy navoakan'ny Prefektioran'Antananarivo... ♦ Manambana ny hiverina hanaitra ny mpitondra amin'ny alalan'ny fidinana an-dalambe kosa ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa, amin'ity volana janoary ity...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...