• Manentana ny kristianina rehetra hanankina an'i Madagasikara amin'ny Fo Masin'i Jesoa, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, amin'izao taon-jobily izao... • 12 taona katroka ny 13 marsa 2025, ny nahateo amin'ny Fiketrahana Masina ny Papa François... • Nanao antso avo amin'ny fampitomboana ny andraikitry ny vehivavy amin'ny fitandroana ny fandriam-pahalemana ny Vatica, ny alarobia 12 marsa 2025...
• Tany amin'ny 260 km andrefan'i Toliara no nisy ny foiben'ilay rivodoza Jude, tamin'ny 9 ora maraina teo. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'i Toliara I sy Androka Ampanihy anio alina na rahampitso vao maraina be, amin'ny tanjaka “Cyclone Tropical” izy... • Tsy hisy ny fanalavam-potoana fa tsy maintsy hajaina ny fe-potoana farany fisoratana anarana ho an'ireo mpiadina Bakalorea, dia ny 25 avrily 2025 amin'ny 6 ora hariva... • Miisa 800 ireo olona nisitraka ny tolotra maimaimpoana kopia sy kara-panondrom-pirenena tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambohibary, Distrikan'i Moramanga...
Ny fiarahan-dalana dia fifanatonan'ny olona na vondron'olona maromaro mba hiombona amina tanjona iray. Ny fiombonana indray dia fototra iray mampisy fahombiazana ao anatin'ny fiarahan-dalana. Ho an'ny fiainan'ny mpivady manokana dia mifanindran-dalana ny fiarahan-dalana sy ny fiombonana, rehefa miditra tanteraka amin'ny fiainan'ny andaniny ny ankilany. Mpiara-miombona antoka mitovy lenta ny mpivady, ary mifameno sy mifampiankina amin'ny ezaka hahatongavana amin'ny tanjona iombonana.
• Nitombo hery ka lasa “Forte Tempête Tropicale” ilay rivodoza Jude. Tany amin'ny 355 km andrefana somary avaratra andrefan'i Toliara no nisy ny foibeny tamin'ny 4 ora maraina... • Tsy maintsy hisy, fa tsy araka ny resaka mandeha ny isany, ireo trano horavana amin'ilay tetikasa Rocade mankety Ivato... • Hotanterahana anio ny fandevenana an'i Julien Rakotonarivo. Izy izay fantatra tamin'ny fiarovana sy ny fampiroboroboana ny lova ara-kolontsaina...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco