Tamin’ny voalohany ny Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin’Andriamanitra tamin’ny voalohany Izy, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy Izy, tsy nisy ary ny zavatra àry rehetra. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan’ny olona. Ary mamirapiratra amin’ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray Azy ny maizina.

Nisy lehilahy anankiray nirahin’Andriamanitra, Joany no anarany; tonga ho vavolombelona hanambara ny Fahazavana izy, mba hinoan’ny olon-drehetra noho ny teniny. Tsy izy anefa no Fahazavana, fa tonga ho vavolombelona manambara ny Fahazavana fotsiny izy.

Fa ny Teny ihany no tena Fahazavana, izay manazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao, nefa tsy nahalala Azy izao tontolo izao. Tonga teo amin’ny olony Izy, fa ny olony tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny Anarany, ka tsy mba nateraky ny ra na ny sitra-pon’ny nofo, na ny sitra-pon’ny olona ireo, fa nateraka avy amin'Andriamanitra. Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay, dia voninahitra tahaka izay zakain-janaka Lahy tokana avy amin’ny Rainy, sady feno fahasoavana sy fahamarinana Izy.

Nanambara Azy i Joany ka niantso nanao hoe: "Izy ilay nolazaiko hoe: Izay avy, ao aoriako dia efa tonga eo alohako, satria talohako Izy". Ary avy amin’ny hafenoany no nandraisantsika rehetra fahasoavana miampy fahasoavana, satria ny Lalàna moa nomena tamin’ny alalan’i Môizy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia avy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tsy dia nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana, fa ny Zanaka tokana izay ao anatin’ny Ray ihany no hany nanambara Azy.

Rehefa nandao ny mpiandry ondry ny Anjely ka nankany an-danitra, dia niresaka ireo mpiandry ondry nanao hoe : "Andeha isika ho any Betilehema hizaha izany zavatra vao tonga nampahafantarin'ny Tompo antsika izany". Dia nankany haingana izy, ka nahita an'i Maria sy i Josefa ary ny Zazakely mandry amin'ny fihinanam-bilona; ary rehefa nahita izy ireo, dia nampiely ny teny nolazaina taminy ny amin'izany Zaza izany. Ary izay rehetra nandre dia gaga avokoa tamin'izay nolazain'ny mpiandry ondry taminy; fa i Maria kosa nitadidy izany zavatra rehetra izany ka nieritreritra azy tao am-pony. Ary nody ny mpiandry ondry nidera sy nankalaza an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra reny sy hitany, araka izay nolazaina taminy.

Tamin’izany andro izany, dia namoaka didy i Sezara Aogosta hampanoratra ny anaran’ny vahoakany amin’ny tany rehetra: dia fony i Sirinosy no govemoran’i Siria no natao izany fanoratana voalohany izany. Dia samy nankany amin’ny tanàna niaviany avy izy rehetra, mba hosoratana.

Ary i Jôsefa koa niakatra avy tany Galilea avy tao an-tanàna Nazareta hankany Jodea ho ao an-tanànan’i Davida atao hoe Betilehema, fa taranaka sy fianakavian’i Davida izy, mba hosoratana izy sy i Maria vadiny izay bevohoka. Fa raha tao izy, dia tonga ny fotoana hiterahan’i Maria, ary niteraka ny Zanany lahy matoa izy, dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriany teo amin’ny fihinanam-bilona, fa tsy nisy hitoerany tao an-tranombahiny.

Ary tamin’izany tany izany nisy mpiandry ondry nitoetra tany an-tsaha niambina ny ondriny nandritra ny alina. Ary nisy Anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitr’Andriamanitra nanelatrelatra manodidina azy ireo ka natahotra dia natahotra izy. Fa hoy ny Anjely taminy: "Aza matahotra ianareo, fa indro fifaliana lehibe ho an’ny vahoaka rehetra no lazaiko aminareo: fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia i Kristy Tompo. Ary izao no ho famantarana ho anareo: dia hahita Zazakely voahodidina lamban-jaza sady mandry ao amin’ny fihinanam-bilona, ianareo". Ary niaraka tamin’izay, nisy antokon’ny tafika any an-danitra tonga teo amin’ilay Anjely, ka nidera an’Andriamanitra, nanao hoe: "Voninahitra anie ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana anie ho an’ny olona ety ambonin’ny tany, fa nanehoany ny hatsaram-pony".

Tamin'izany nadro izany, feno ny Fanahy Masina i Zakaria rain'i Joany, ka naminany hoe : "Hisaorana anie ny Tompo Andriamanitr'i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny olony, ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika tao amin'ny fokon'i Davida mpanompony, araka ny nolazainy tamin'ny vavan'ny mpaminany masina hatramin'ny andro tany aloha, mba hamonjy antsika amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tanan'izay rehetra mankahala antsika. He izany nanaovany famindram-po tamin'ny razantsika sy nahatsiarovany ny fanekeny masina, dia ilay fianianana nataony tamin'i Abrahama razantsika hanome antsika fahafahana amin'ny tanan'ny fahavalontsika, mba hanompoantsika Azy tsy aman-tahotra, amim-pahamasinana sy fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika. Ary ianao kosa, ry zaza, dia hatao hoe : mpaminanin'ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo ianao hanamboatra ny halehany, mba hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony. Noho ny halehiben'ny famindram-pon'ny Andriamanitsika nampiposaka ny Masoandro hamangy antsika avy any ambony, mba hanilo izay rehetra mipetraka ao amin'ny maizina sy amin'ny aloky ny fahafatesana, ka hitarika ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...