12 marsa 2025 — Alarobia, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)

• Mitana ny laharana faha-83 amin'ireo firenena miisa 167 nanaovana fanadihadiana ny firenena malagasy, amin'ny fampanjakana ny demokrasia... • Mbola manjaka ny ady tany sy ny fibodoana tany ankehitriny... • Voatana ny datin'ny androany 11 marsa 2025, nanombohana ny asa fanotofana ny lalana mihazo ny tananan'i Ivato...

• Nalefan'ny Tendrom-pitsarana Miady amin'ny Kolikoly eny Tsiafahy avokoa, ireo zandary 6 voarohirohy tamin'ilay raharaha “cocaïne” tany Nosy-Be Hell-Ville, raha eny Antanimoro kosa ireo sivily miisa 4... • Ny DREN no hiandraikitra ny fanadinam-panjakana CEPE, amin'ny fandrafetana sy ny fisafidianana ny laza adina avy amin'ny CISCO tsirairay. Mandrindra ny asa manerana ny nosy kosa ny Minisitera foibe...• Mihamaro ireo mpamitaka ara-bola, ary maro ireo mpitaona ara-bola izay misandoka, ka hiompana amin'ny fanabeazana ara-bola manerana ny nosy, ny fanamarihana ny Herinandro Maneran-tany ho an'ny Vola, na ny Global Money Week...

• Sazy an-terivozona mandra-pahafaty no miandry ireo voarohirohy miisa 18 tamin'ny famonoana an'i Rasazy Narindra, Ben'ny Tananan'i Mangataboahangy. Ananan'ny Mpitsara mpanao famotorana porofo manameloka azy, ireo olona ireo, hoy ny Tonia mpampanoa lalana... • Hentitra ny toromarika nomen'ny Lefitry ny Kaomandin'ny FIGN, ho an'ireo zandary mandrafitra ny Vondrona manokana miady amin'ny asan-dahalo andiany faha-37... • Fokontany Ankazotoa Anosimahavelona : Lakana mpampita olona no nivadika. Olona dimy tamin'ireo mpandeha 11 no avotra soa aman-tsara. Tonga nanampy tamin'ny fikarohana ireo olona enina lasan'ny rano ny mpamonjy voina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...