♦ Nidera sy nankasitraka ny fiomanan'ny fitondram-panjakàna, niatrehana ny rivodoza Batsirai ny avy amin'ny ONU. Goavana ny fahavoazana ka hanampy ny mpitondra amin'ny fanarenana ny fianakaviam-be iraisam-pirenena... ♦ 27 no namoy ny ainy vokatry ny hetraketraky ny rivodoza Batsirai hoy ny BNGRC. Ny député an'i Ikongo anefa milaza ihany koa fa 96 ny olona namoy ny ainy tao amin'ny distrikany... ♦ Hiara-hanarina an'i Farafangana amin'ny vahoaka ny fanjakana...

Antsoin'Andriamanitra avokoa isika olombelona rehetra. Antsoiny hiaina araka ny fandaharany isika, antsoiny hiaina araka ny sitrapony. Antsoiny hitovy amin'i Jesoa Kristy isika, izy no modelin'olombelona araka ny sitrapon'Andriamanitra Ray, ka antsoina isika hiombon'aina aminy. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

Alarobia 9 febroary 2022 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 14-23

♦ Tafakatra ho 96 ny isan'ireo olona namoy ny ainy tao amin'ny Distrikan'Ikongo, vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai. Ahiana mbola hitombo ny tarehimarika, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany an-toerana... ♦ Nitsidika ny Faritra Atsimo Atsinanana ny Filoham-pirenena mivady, androany. Hiara-hanarina an'i Farafangana amin'ny vahoaka ny mpitondra fanjakana, ary tsy mamela azy ireo ho irery, hoy ny Filoham-pirenena... ♦ Tsy maintsy tohizina ny ezaka ho fanatanterahana ny fitakian'ny vahoaka tamin'ny 2009, hoy ny Filoha Nasionalin'ny Antoko Monima, Andriamatoa Monja Roindefo...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...