♦ Mihamanantona ny morotsiraka atsinanan'ny nosy hatrany ilay rivo-doza Batsirai atsy amin'ny ranomasimbe indiana. Tany amin'ny 685 km atsinanan'i Ambila-Lemaitso no nisy ny foibeny tamin'ny 9ora... ♦ Any Mananjary ny Praiministra Ntsay Christian manome toromarika ny tompon'andraikitra amin'ny fiatrehana ny rivo-doza Batsirai... ♦ Mitontaly 55 kosa ireo namoy ainy vokatry ny loza samihafa nateraky ny andro ratsy Anna farany teo, 130.000 mahery ny traboina...
Aoka iaina ny maha olom-pirenena isika manomboka amin'ny faha-18 taona, ka handray anjara amin'ny fifanampiana manoloana ny zav-misy eto amin'ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Hiditra ao anatin'ny filazana loza miloko mena amin'ny fiavian'ny rivo-doza Batsirai manomboka rahampitso antoandro ireo faritra anatin'ny loko maintso amin'izao fotoana izao... ♦ Tsy mianatra ny mpianatra manerana ny nosy manomboka rahampitso. Tsy miasa ny mpiasam-panjakàna sy ny tsy miankina... ♦ Niray feo ireo "députés" voafidy tao amin'ny faritra Matsiatra-Ambony, miantso ny filohan'ny repoblika handrindra ny vidin'ny vary tsinjo sy hanaparitaka izany...
Ny vaomieran'asa dia hahafahana miaina ny antson'Andriamanitra. Manana anjara amin'ny fanampiana ny olona hizotra amin'ny antson'Andriamanitra ihany koa ny vaomieran'asa. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco