♦ Mijoro ankehitriny ny Fondation Céline et Didier Ratsiraka. Hetsika mifanandrify amin'ny tsingerin-taona nahaterahan'ity Filoham-pirenena teo aloha ity, androany 4 novambra... ♦ Mitaraina ny Sendikan'ny Indostria eto Madagasikara amin'ny fantiantok'ireo orinasa malagasy mpamokatra savony. Miombon-kevitra amin'ny fampakarana ho 20% ny haba alaina amin'ny fanafarana bolabolan-tsavony izy ireo, araka ny voalazan'ny volavolan-dalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2021...
♦ Olona miisa valo no efa voasambotra manoloana ny vonon'olona miisa roa izay nitranga tany amin'ny distrika Mahabo... ♦ Efa nanomboka androany ny fahafahana misitraka ny vaksiny Sinopharm... ♦ Nandiso ny vaovao miely amin'ny tamba-jotra serasera momba ny fisiana "Prime exceptionnelle" hatrany amin'ny 980 tapitrisa Ariary ho an'ny mpiasa ny tompon'andraikitry ny Jirama...
♦ Manameloka ny herisetra natao tamin'ireo mpanao gazety manao ny asany ny fikambanan'ny mpano gazety misehatra amin'ny tontolo iainana sy ny fikambanan'ny mpanao gazety mpaka sary ary ny OJM... ♦ Mitaky ny hamoahana ilay volavolan-dalana momba ny fahazoana mamantatra ny raharaham-panjakàna ny vondro'ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Tombanan'ny banky iraisam-pirenena hiampy 130 tapitrisa ireo olona mahantra maneran-tany vokatry ny fiovaovan'ny toetr'andro hatramin'ny taona 2030...
Ankehitriny, tonga ny fotoana hanaovan'ny tanora ny "eniny" amin'ny fanorenany ny ho aviny, hoy ny Papa : "tanora toa anareo i Masina Maria tamin'izy nanao "eny" ny amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Midika fandraisana andraikitra izany, midika fahavononana hisedra zava-tsarotra. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco