♦ Miantso ny kristiana rehetra hijoro ho vavolombelona sy tsy hanaiky ny fanalan-jaza amin'ny endriny rehetra ny FJKM... ♦ Tsy afaka handray miaraka ireo mpianatra vao afaka bakalorea farany teo sy ireo efa nahavita fifaninanana hidirana amin'ny taona voalohany eny Ankatso ny FLSH... ♦ Olona iharan'ny fanolanana miisa 3 hatramin'ny 10,  no tonga manatona ny ivon-toerana Centre Vonjy eny Befelatanana...

♦ Hisitraka vaksiny Johnson Johnson maherin'ny 300 000 avy amin'ny governemanta amerikana i Madagasikara. Ho raisina etsy Ivato, amin'ity maraina ity... ♦ Maherin'ny 130 kg ny volamena nokasaina sy efa nivoaka an-tsokosoko teo Madagasikara tao anatin'ny 3 taona. Mitaky sazy ho an'ireo mpanondrana ny harem-pirenena ny firaisamonim-pirenena... ♦ Manome 3 andro ny tompon'andraikim-pahefana ny SDVELM manoloana ny fitazomana am-ponja ireo namany miisa telo...

Tsapa ankehitriny fa miroaroa saina sy mitebiteby ary tsy mahatoky tena ny tanora noho ny tahotra mameno ny fony manoloana ny ho aviny. Hany ka tsy mari-toerana ny fiainany ary maro no tsy mijoro amin'ny heviny sy tsy mitàna ny teny nomeny. Jesoa anefa manome toky fa eo mandrakariva hitari-dalana azy ireo. Katesizy momba ny fananana hazo-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Alatsinainy 25 oktobra 2021 — Herinandro fahatelopolo mandavantaona — Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 10-17

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...