Tamin’izany andro izany, nisy olona sasany tonga nilaza tamin’i Jesoa ny nanjò an’ireo Galileanina fa nalatsak’i Pilaty niaraka tamin’ny soron’izy ireo ny rany. Ary novaliany hoe: "Moa ataonareo fa ireny Galileanina ireny dia mpanota mihoatra noho ny Galileanina rehetra matoa nozoin-doza toy izany? Tsia hoy Aho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra. Na moa ataonareo fa ny olona valo ambin’ny folo maty nianjeran’ny tilikambon’i Silôe no meloka noho ny mponina rehetra tao Jerosalema? Tsia, hoy Aho aminareo; fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho very tahaka azy avokoa ianareo rehetra."

Dia nanao itý fanoharana itý Izy: "Nisy lehilahy anankiray nanana aviavy nambolena tamin’ny tanim-boalobony, dia nankeo aminy mba hitady voa fa tsy nahita. Dia hoy izy tamin’ny mpiasa ny tanim-boalobony: ‘Indro efa telo taona izay no tonga mitady voa amin’itý aviavy itý aho, nefa tsy mahita; koa kapao io, fa nahoana no manimba ny tany foana eo?’ Ary hoy ny mpiasa namaly azy: ‘Aoka re ho eo ihany izy amin’itý taona itý, tompoko, dia hohevoiko ny fotony sady hasiako zezika; angamba hamoa izy, fa raha tsy izany dia hokapainao ihany izy.’"

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe: "Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe: ‘Ho avy ny orana’, ka avy tokoa izy; ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo: ‘Hafana ny andro’, ka tonga tokoa izany. Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany, ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao? Nahoana koa no tsy amantaran’ny tenanareo izay marina? Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara, dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo, fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra, ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina. Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Tonga hanipy afo etý ambonin’ny tany Aho, ka akory itý faniriako mba hirehetan’izany sahady! Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho, ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany! Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana etý an-tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana aza. Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray, dia hanao an-daniny, ka hifanohitra ny telo amin’ny roa, ary ny roa amin’ny telo; ny ray amin’ny zanany lahy, ary ny zanakalahy amin’ny rainy; ny reny amin’ny zanany vavy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny; ny rafozam-bavy amin’ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: "Fantaro tsara fa raha fantatry ny tompon-trano ny ora hiavian’ny mpangalatra, dia hiambina izy, fa tsy hamela ny tranony hotamìna. Koa mivonòna koa ianareo, fa ho avy amin’izay ora tsy hampoizinareo ny Zanak’Olona." Dia hoy i Piera taminy: "Tompoko, ho anay ihany va no ilazanao izany fanoharana izany, sa ho an’ny olona rehetra koa?" Ary hoy ny Tompo: "Iza moa no mpitandrim-pananana mahatoky sy hendry izay hotendren’ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy ny anjara variny ara-potoana? Sambatra izany mpanompo izany raha tratry ny tompony manao tahaka izany raha avy izy. Lazaiko marina aminareo fa hotendreny ho mpitandrina ny fananany rehetra izy. Fa raha izany mpanompo izany kosa, manao anakampo hoe: ‘Ela vao ho avy ny tompoko’, ka amin’izany dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy, sady mihinana sy misotro ka mamo, dia ho avy amin’ny andro tsy ampoiziny sy amin’ny ora tsy fantany ny tompon’izany mpanompo izany, ka hataony rotiky ny kapoka izy, ary homeny anjara any amin’ny mpanompo ratsy. Izay mpanompo nahalala ny sitrapon’ny tompony ihany nefa tsy niomana, na tsy nanao araka ny sitrapony, no hokapohina imbetsaka; fa izay tsy nahalala kosa, na nanao zavatra mendri-pamaizana aza, dia hokapohina kelikely ihany. Izay nomena be no hitakiana be, ary izay nanankinana be no hadinina be koa."

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...