Tamin’izany andro izany, dia nisy Farisianina anankiray nanasa an’i Jesoa hisakafo ao aminy, ka niditra Izy dia nipetraka nihinana. Fa velona eritreritra ilay Farisianina nahita itý Izy tsy nisasa alohan’ny fihinanana, ka hoy ny Tompo taminy: "Ianareo Farisianina kosa iky mandio ny vohon’ny kapoaka sy ny lovia, kanefa ao anatinareo feno halatra sy faharatsiana. Ry adala, moa izay manao ny vohony tsy manao ny atiny koa? Izao ihany: manaova fiantrana araka izay anananareo, dia hadio ho anareo ny zavatra rehetra."

Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy anankiray nidodododo nandohalika teo anatrehany, ka nanontany Azy hoe: "Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Nahoana no ataonao hoe tsara aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, aza mamono olona, aza mangalatra, aza mety ho vavolombelona tsy marina, aza manambaka, manajà ny rainao aman-dreninao". Dia hoy ny navaliny Azy: "Mpampianatra ô, hatry ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany". Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: "Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary raha efa izany dia avia hanaraka Ahy". Nampahory azy izany teny izany satria nanan-karena be izy, ka niala tamin’alahelo. Ary nijerijery manodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe: "Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!" Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: "Sarotra, anaka, ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra". Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: "Iza àry no mety ho voavonjy?" Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: "Amin’ny olombelona zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra".

Ary hoy i Piera taminy: "Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao". Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’ity fiainana ity, dia trano, rahalahy, anabavy, ray, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy".

Tamin’izany andro izany, nisy vehivavy anankiray niantso teo afovoan’ny vahoaka ka nanao tamin’i Jesoa hoe: "Sambatra ny kibo izay nitondra Anao, sy ny nono izay ninonoanao!" — "Fa vao mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy."

Tamin’izany andro izany, rahefa avy nandroaka demony i Jesoa, dia niteny ny sasany tamin’izay teo nanao hoe: "I Belzeboba lehiben’ny demony no androahany ny demony." Ary ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana avy any an-danitra taminy. Fa i Jesoa nahalala ny heviny ka nanao taminy hoe: "Rava izay fanjakana miady an-trano; mianjera mifanongoa ny trano; ka raha miady an-trano àry i Satana, ahoana no haharetan’ny fanjakany? satria lazainareo fa i Belzeboba no androahako ny demony. Ary raha amin’ny herin’i Belzeboba àry no androahako ny demony, amin’ny herin’iza kosa no androahan’ny zanakareo azy? Koa izy ireo ihany no ho mpitsara anareo. Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra. Raha lehilahy matanjaka sy àry fiadiana tsara no miambina ny tranony, dia voaaro ny fananany rehetra; fa raha tonga kosa ny mahery noho izy, ka mandresy azy, dia sady hahalasa ny fiadiany rehetra izay nitokiany no hizara izay nobaboiny. Izay tsy momba Ahy, dia manohitra Ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.

Raha mivoaka amin’ny olona ny fanahy maloto, dia mandehandeha mitady fialan-tsasatra eny amin’ny tanety maina izy, ka nony tsy mahita dia manao hoe: "Hody any an-tranoko izay nivoahako aho." Ary nony tonga izy dia mahita azy voadio sy voaravaka, ka mandeha maka fanahy fito ratsiratsy kokoa noho izy, dia miditra ireo ka mitoetra eo. Ary ny faran’izany olona izany dia tonga ratsiratsy kokoa noho ny voalohany."

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...