Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalàna an’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy ka nandefa iraka nialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: "Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?" Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: "Tsy fantatrareo manko izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy." Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo.

Tamin’izany andro izany, nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatra, dia ny amin’izay lehibe aminy. Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony, ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany, dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe." Dia niteny i Joany nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay, ka noraranay, satria tsy namantsika izy." Fa hoy i Jesoa taminy: "Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo."

♦ Miverina indray ny fanakanan-dalana amin'ny Lalam-pirenena faha-7, ankehitriny. Taxi-brousse 50 nanao "caravane" no nosakan'ny jiolahy tany Ilaka Centre Ambositra, fiara 5 voaroba... ♦ Tafakatra any amin'ny dingana manaraka ny CFFA nisolotena an'i Madagasikara amin'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF... ♦ Very olomanga ny tontolon'ny mozika Raggae eto Madagasikara. Nodimandry omaly tatsy La Réunion ilay mpanakanto Sammy Rastafanahy...

Ilàna fandinihina tsara ny mety ho hevitry ny antso ho an'ny olona iray. Maka bahana ara-potoana tsara ary atao feno ny fiomanana. Katesizy momba ny Fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...