Miantoka ny fahasalamana sy ny fahatokisan-tena ny nify ka mila fanaraha-maso sy fikarakarana tsy an-kiato. Maro ny antony samihafa toy ny tahotra, ny ara-bola, ny tsaho, ny finoanoampoana isan-karazany mahatonga ny olona tsy hikarakara loatra ny nify. Vokatr'izany ratsy ny nify, mitarika aretina maro sy tsy fahatokisan-tena eo amin'ny fifandraisana aman'olona.

Tsy mitovy ny antso sy ny hoe asa. Omen'Andriamanitra antoka aloha ny olona iray mba tsy hatahotra manoloana ny antso. Nomena iraka i Maria virijiny mba hiteraka zazalahy. Ny "antso" dia Andriamanitra no mifidy sy miantso ary maniraka antsika fa ny "asa" dia isika no misafidy izay hatao. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

♦ Olona roa tapitrisa eo no hiniana vonoina amin'ny fivelomany, manoloana ny fahapotehan'ny seha-pihariana lavanila eto Madagasikara, hoy ireo avy any Sava. Miantso ny fanjakana tsy hametra ho 66 fotsiny ireo mpandraharaha afaka manondrana lavanila izy ireo... ♦ Mikasa ny hanome ny fitantanana ny hetra sy ny fadintseranana ho an'ny orinasa tsy miankina ny fanjakana foibe. Mitsipaka izany marindrano ireo sendikà eo anivon'ny Minisiteran'ny vola, raha nanao fanambarana androany...

♦ Kely finoana amin'ny ahazoan'i Madagasikara ny nosy malagasy manodidina ny mpanao politika Ralison Roger taorian'ny lahatenin'ny filoham-pirenena, omaly tany New York. Tsy maintsy hiafara amin'ny fiaraha-mintantana ny zava-misy... ♦ Tsy nanafina ny ahiahiny amin'ny mety hahafaty ny sehatry ny fizahan-tany eto amintsika ny mpandraharaha amin'izany raha toa ka tsy mbola hisokatra ny sisin-tanin'i Madagasikara... ♦ Manomboka mamerina ireo sehatr'asany teo aloha indrindra ireo kaompania misehatra amin'ny dihy eto Madagasikara. isan'izany ny kaompania Zarasoa sy ny sekoly Zarasoa...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...