Alahady 11 jolay 2021 — Alahady fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 7-13

Misy tarehimarika roa omen'ny mpitsabo rehefa mitsapa tosi-drà ; ohatra 12-8 ka ny voalohany manambara ny tosika voalohan'ny rà ary ilay faharoa  dia tosika manaraka izay somary ambany. Raha ilay tosika voalohan'ny rà no latsaky ny (< 9) dia izay no hambara fa ambany ny tosi-drà. Fambara : ankoatra ny tsy maintsy hitsapana azy amin'ny fitaovana voatoka dia mety hahatsiaro ho reraka ilay olona na fanimpanina, misy feo misioka ao anaty sofina na migobona, mety ho tonga amin'ny fahatoranana sy tsy fahatsiarovantena, manjavozavo ny fijery, fanina vao mitsangana tampoka...

♦ Hafaliana tsy omby tratra ny an'ireo kristianina an'ny Diôsezy Tsiroanomandidy, teo ampitsenàna ny Eveka vaovao, tao Ankadinondry-Sakay, ho an'ny Diôseziny dia Mgr Gabriel Randrianantenaina, rahampitso ny Eokaristia Masina ho fanamasinana azy no hatao.... ♦ Niravona ny disadisa eo amin'ny mpitatitra fiarabe sy ny mnisteran'ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy... ♦ Mitaky ny hamahàna haingana ny olana momba ny fahatapahan'ny lalana mampitohy ny tapany andrefan'ny distrika Vohipeno sy ny ilany atsimon'ny distrika Ikongo ny mponina mampiasa izany lalana izany... 

♦ Mangataka ny hampitomboana ny teti-bolan'ny faritra ireo governora raha nihaona tamin'ny filoham-pirenena teny Iavoloha omaly. Betsaka ny asa hatao saingy tsy maharaka ny teti-bola enti-miasa... ♦ Namondrona ny heriny naneho firaisan-kina omaly ny mpiasan'ny paositra manerana ny nosy. Mitohy ny fitokonana... ♦ Tetik'asa PRODUIR : Nahazo fiarabe "camion citerne" fitanterana rano miisa 05 avy amin'ny ministeran'ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny ministeran'ny rano sy ny fidiovana ary fanadiovana...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...