Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon'ireo nofantsihana, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin'ny Hazofijaliana amin'ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany). Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny Fony, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay. Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filazany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: "Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza". Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: "Hijery IIay nolefoniny izy".
♦ Fotoana manan-danja ho an'ny Fiangonana maneran-tany ny fankalazana an'i Jesoa Kristy eo anivon'izao tontolo izao ao amin'ny Eokaristia, omaly. Fotoana nitsofandrano ny tanàna amin'ny alalan'ny sakramenta Masina... ♦ Hapetraka eny akaiky ny tanàna vaovao Tanamasoandro ny akademiam-pirenena avo lenta momba ny fanatanjahan-tena ho fanofanana ny tanora malagasy... ♦ Roa ny olona namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus, teto Madagasikara, ny sabotsy teo, niisa 104 ireo sitrana...
Alatsinainy 7 jona 2021 — Herinandro fahafolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 1-12
Alahady 6 jona 2021 — Ny Vatana aman-dRà Masin'i Kristy — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 14, 12-16. 22-26
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco