Ny fitiavana dia sahala amin'ny tady tsy hita maso mampifandray fon'olona roa, lahy sy vavy. Sarotra ho an'ny tanora ny mamantatra ny tena fitiavana sy ny haitraitra, ny fitiavana anefa tsy lamaody. Raha mbola latsaky ny 17 taona dia mbola tsy matotra ary mbola tsy mahalala ny lanjan'ny fitiavana ny tanora iray. Maro ny diso amin'ny hoe "fitiavana" mira " firaisana ara-nofo...  Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

  • Nahazo fampitandremana miloko MENA amin'ny fiakaran'ny renirano araka ny fampahafantarana navoakan'ny teo anivon'ny BNGRC omaly talata tamin'ny 4 ora tolak'andro ny lemak'Antananarivo...
  • Mbola miato ny fampianarana ho amin'ity alarobia 19 febroary ity ho an'ny farim-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo, Manjakandriana ary Anjozorobe noho ny fiakaran'ny rano araka ny fampahafantarana nataon'ny DREN Analamanga...
  • Namoaka fanambarana ny amin'ny mbola tsy nisian'ny fanovana ny tambin-karama raisin'ireo mpikamban'ny governemanta hatramin'ny taona 2018 ny teo anivon'ny ministeran'ny toe-karena sy ny fitantanam-bola...
  • Noraràn'ny fitondrana Taliban ny fahafahan'ny Onjam-peo BEGUM mandeha any Afghanistan, ity onjam-peo ity ihany no hany miady ho an'ny zon'ny vehivavy any amin'ity firenena ity...

19 febroary — Raha ny tantaran'i Masindahy Gabin dia tsy dia misy ambara firy nefa na izany aza, izay kely fantatra momba azy dia ahafahana maka ohatra ny finoana nananany. Niaina tamin'ny taonjato fahatelo i Masindahy Gabin.

Tena sarotra ny mamaritra ny atao hoe "Fivavahana", fa azo lazaina hoe toe-po sy toe-panahy hoentina mivavaka sy manatanteraka vavaka ao anatin'ny toerana sy fotoana. Ny Fivavahana dia sarotra satria tsy azo tsapain-tanana na jeren'ny maso fa toe-piainana tahaka ny asa masina ; izany hoe olona mivavaka, olona tia vavaka, olona zatra mivavaka no misy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...