♦ Nitarika isam-paritany ny kandidàn'ny IRD tamin'ny fifidianana Loholona ny 11 desambra teo, raha ny vokatra vonjimaika navoakan'ny CENI, androany maraina... ♦ Nofoanana indray ilay fanadihadiana parlemantera momba ny fandosirana faoba nataon'ireo voafonja tany Farafangana, efa any am-pelan-tànan'ny fitsaràna ny raharaha... ♦ Efa nihoatra an'i Grande Bretagne nahitàna azy voalohany ilay tsimokaretina Coronavirus niova endrika. Nahitàna tranga vaovao 4 tany Belgique...

♦ Havoaka anio eny amin'ny foiben'ny CENI eny Alarobia ny vokatra vonjimaika feno tamin'ny fifidianana Loholona, voalaza fa namerina nanisa vato ity vaomiera ity, mialohan'izao famoahana vokatra vonjimaika izao... ♦ Hohamafisina ny fepetra fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ara-pahasalamana ho fiarovana amin'ny Covid-19 amin'izao ankatoky ny fety izao hoy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety... ♦ Tsy misy ahiana ny fahitàna vaksiny fanefitr'ilay tsimokaretina coronavirus amin'ny endriny vaovao tany Grande Bretagne, hoy ny laboratoara BionTech, izay nahita vaksiny mahatohitra ny covid-19... 

Alarobia 23 desambra 2020 — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay ; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66

♦ Ho hentitra amin'ireo mpamily mihoa-pefy amin'izao fetin'ny faran'ny taona izao ny eo anivon'ny ATT ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana mety hitranga, hamafisina ihany koa ny fanaraha-maso momba ny fepetra ara-pahasalamana... ♦ Hiverina amin'ny taona 2021 indray ny fifaninana hidirana ho mpitsara sy mpiraki-draharaha eo anivon'ny sekoly ambony ENMG ao Tsaralalana, rehefa nihato nandritra ny 2 taona dia ny taona 2019 sy ny 2020... ♦ Hintantana ny vondrona eraopeana mandritra ny enim-bolana manomboka ny volana janoary izao i Portugal... 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...