♦ Maro ny lesoka tsikaritry ny filohan'ny antenimieran-doholona, Andriamatoa Rivo Rakotovao, ao anatin'ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2021... ♦ Miantso ny fitondram-panjakàna hanampy azy ireo amin'ny fanarenana ny simba ireo mponina rava trano tao Nanto noho ny haintrano nitranga tamin'ny talata teo... ♦ Mirongatra izay tsy izy ny isan'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus any Etazonia sy ny isan'ny maty tao anatin'ny 24 ora. Tafiakatra 3.700 ny isan'ny olona lavo araka ny antontan'isa omaly...
♦ Volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakàna taona 2021 : nakatoavin'ny Loholona, ho tombontsoan'ny firenena sy fanajàna ny demokrasia hoy ny filohan'ny antenimieran-doholona... ♦ Fanamboaran-dalana Rocade Est : 80% ny asa no efa vita saingy ny 26%-ny tompon-tany voakasika no mbola hahazo onitra... ♦ 10 taona katroka androany ny nanombohan'ny revolisiona lehibe tany Tonizia dia nandroran'i Mohamed Bouazizi ny tenany, tsy nanaiky ny fahoriana lalina niainany sy ny mpiray tanindrazana taminy...
Ireo fomba valo (8) azo hisorohana ny faharerahantsaina. (16-12-2020)
Alakamisy 17 desambra 2020 — Herinandro mialoha ny Noely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 1-17 — Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana, avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco